- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversNanakorontana tanaty hôtely : Roa lahy nosamborin’ny pôlisy

Nanakorontana tanaty hôtely : Roa lahy nosamborin’ny pôlisy

Izy roa lahy voasambotry ny polisy

Nifampila vaniny sy nifampila ady, teo akaikin’ny trano fandraisam-bahiny iray, tao an-drenivohitr’i Diana tao ireto roa lahy ireto ary niteraka korontana teo amin’ny manodidina, omaly. Voatery niditra an-tsehatra ny polisy ary nisambotra azy ireo. Nahitàna antsy maranitra moa tany amin’ny iray tamin’ireto tovolahy ireto. « Toy ny mahazatra, tsy mikely soroka ireo tompon’andraikitry ny pôlisim-pirenena miandraikitra iny faritra iny amin ‘ny fanaraha – maso ny tanana. Anisan’ny mandray anjara mivantana amin‘izany ireo Polisin ‘ny FIP. Nandritra ny fandalovana sy ny fanatanterahan ‘izy ireo ny asa fisafoana teo akaikin ‘ny trano fandraisam -bahiny iray tany an- toerana no nahatsikaritra fihetsik‘olona roa hafahafa izay nitabataba tao anatiny » araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy. Nosamborina avy hatrany ireto farany ary nentina nihazo ny biraon’ny kaomisaria. Notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy avy hatrany moa ireto roa lahy ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici