- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversRoa taona an-tranomaizina : Zandary voaroaka lasa mibizina rongony

Roa taona an-tranomaizina : Zandary voaroaka lasa mibizina rongony

Efa manefa ny saziny ao amin’ny fonjan’Ihosy ankehitriny ilay zandary voaroaka izay lasa mpibizina rongony. Roa taona an-tranomaizina ny sazy nihatra taminy rehefa nampiasa fiara nasiana takela-by zandary  izy. Izany dia nentina nitaterana rongony tany Ihorombe. Ny zokiny kosa, izay mpitandro filaminana amperin’asa ary voalaza ho tompon’ny fiara, dia nafindra toeram-piasana. Lasa any avaratra no miasa ankehitriny. Zandary teo aloha izay efa nidoboka tetsy Antanimora, Tsiafahy ny voakasik’ity raharaha ity ary isan’ny voarohirohy tamin’ny raharaha fikasàna hanongam-panjakana tamin’ny 2009. Rehefa nahavita sazy dia nivadika zavatra hafa indray ny nataony ary nifatratra tany amin’ny trafika zava-mahadomelina. Raha tsiahivina kely dia mbola nampiasa  ny fitaovana sasany an’ny mpitandro ny filaminana io zandary voaroaka io tamin’ny fotoana nisamborana azy. Isan’izany ny fanamiana ary nanenjehana azy avokoa izany rehetra izany nandritra ny raharaham-pitsarana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici