Rehefa nahazo vahana tany amin’ny tapan’ny atsimon’ny disitrikan’i Tsaratanàna iny ny trangana » kidnapping, » dia somary nikisaka any amin’ilany atsimon’ny disitrikan’i Maevatanàna indray. Raha ny vaovao mari-pototra voaray hatrany dia olona roalahy nokaramaina niasa nanetsa vary, teny an-tsaha no nahita olona efatra mianaka nitondra sakaosy mavesatra, tany amin’ny manodidina ny fokontan’Androtra, kaominina ambanivohitra Mahatsinjo, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ny Alatsinainy faha 20 Janoary taona 2025 atondro. Tsy nisalasala ny namonjy ny toerana niasan’izy roalahy, ireto farany no nitaraina ho naona, ka nomena sakafo masaka avy any an-trano, sady nampandrosoana tamin’ilay toby kely. Rehefa nandeha moa ny resaka nifanaovana dia nilaza hitodi-doha, any amin’ny disitrikan’Ankazobe iny, izy efatra mianaka, izay nahitana vehivavy iray sy lehilahy roa, ary zazalahikely 13 taona. Niroso tamin’ny sivy ora alina ny andro dia namoaka ny basy kalaky iray sy basim-borona iray ny Jiolahy niisa efatra mianaka no nambanana tamin’ny basy, izy roalahy, ary noentina an-keriny avy hatrany. Nizotra nianatsimo, any amin’ny faritra Ankazobe ny lalan’ireo olon-dratsy, raha ny fampitam-baovao voaray nandritra ny antso an-taribia hatrany. Tsy fantatra moa na tena halaina an-keriny na hatao mpahandro sakafo no tena tanjona ataon’ny jiolahy, amin’izy roalahy ireto. Efa any an-toerana manao ny famotorana ny lehiben’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandary eto Betsiboka no mitohy ihany koa ny fanarahan-dia ataon’ny Zandary sy ny vatan-dehilahy amin’izao hanoratanay ny lahatsoratra izao. Eto am-pamaranana dia tsara hatrany ny mitondra teny fanentanana hoan’ireo mponina, eny ambanivohitra na an-drenivohitra, amin’ny tokony tsy hisalasalana ny hampandre ny filoham-pokontany sy ny mpitandro ny filaminana, rehefa mahita vahiny mapihiahiahy.
Ratantely