
Teny Anosy Avaratra teny no voasambotra ireo roalahy ireto noho ny ezaka nataon’ny teo anivon’ny polisy CrFip Anjozorobe sy ireo borigady manokana natao hiady amin’ny fandrobàna. Raha ny voalaza dia nandritra ny fisafoana nataon’izy ireo ny alin’ny alakamisy teo no nahasamborana azy ireo. Taorian’ireo alina nifanesisesy nisian’ny fandrobàna sy fanimbana zavatr’olona maro teto an-drenivohitra sy ny manodidina dia natsangana teo anivon’ny polisim-pirenena ny vondrona manokana hiady amin’ireo mpandroba na ny “brigade anti-pillage”. Fiara tsy mataho-dalana am-polony maro, feno polisy no nahetsika hisafo ireo toerana rehetra eto an-drenivohitra sy ny manodidina azy. Borigady izay hiara-hisalahy amin’ireo andrimasom-pokonolona sy ireo mpitandro filaminana efa eny ifotony. Nandritra ny Iray tamin’ireny fisafoana ireny indrindra no nahatsikaritra ireo roalahy hafahafa fihetsika ireo moitandro filaminana. Nitsoaka avy hatrany rahateo moa izy izy ireo vao nanatonan’ireo polisy. Raikitra ny fifanenjehana ary tsy ela dia voasambotra. Nilaza ho mpitandro ny filaminana izy ireo ary nanao fanamiana nifanaraka tamin’izany mihitsy. Nipoitra ny nafenina anefa rehefa notakiana ny karatra maha-mpitandro filaminana ry zalahy. Nosamborina ary nosavaina ny tranony : mbola nahitana fanamiana hafa ihany koa. Tsy azo iadin-kevitra fa olona mampiahiahy izy ireo ka dia natolotra ny sampan-draharahan’ny polisy misahana ny heloka bevava avy hatrany etsy Anosy ho tohin’ny famotorana, araka ny vaovao voaray.
m.L


