- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversRocade Andohatapenaka : Fiara kely nivadika tany an-tanimbary, vehivavy iray namoy ny...

Rocade Andohatapenaka : Fiara kely nivadika tany an-tanimbary, vehivavy iray namoy ny ainy

Aina iray indray no nafoy, tetsy amin’ny lalam-baovao « rocade » Andohatapenaka ny harivan’ny sabotsy lasa teo. Fiara kely iray, marika « Peugeot » no niala lalana ary nivadika tany an-tanimbary. Vokany, potika tanteraka ilay fiara, olona iray maty ary iray hafa naratra mafy.

Hatreto dia tsy fantatra mazava izay tena antony nahatonga ny loza, raha ny angom-baovao azo teny an-toerana. Marihana fa mbola mazava ny andro, tokony ho tamin’ny efatra ora folakandro tany ho any no nitranga ny loza. Raha ny filazan’ireo nanatri-maso, toy ireo fiara mindrana iny lalam-baovao iny, dia somary mafimafy ihany ny fandehan’ity fiara kely ity. Tampoka teo anefa no nikivilavila ilay fiara ary namantana avy hatrany tany an-tanimbary, rehefa tsy nahatana azy intsony ireo vy arofanina teny an-toerana. Mafy dia mafy tokoa ny fianjerany, satria niforitra mihitsy ny lohan’ilay fiara, torak’izay ihany koa ny aoriana rehefa nitontona tamin’ny tany. Olona roa no tao anatin’izany fiara izany araka ny filazan’ireo olona teny an-toerana. Ireto farany izay nihazakazaka avy hatrany hamonjy izany olona tao anaty fiara niharan-doza izany. Lehilahy tokony ho efapolo taona any ho any ny teo amin’ny familiana ary vehivavy manodidina ny 26 taona kosa ny teo akaikiny. Samy nihoson-drà sy naratra avokoa izy ireo ary nezahin’ireo olona nosokirina tao anatin’ilay fiara. Araka ny voalaza dia ilay vehivavy no tena voa mafy indrindra. Nentina novonjena haingana tany amin’ny hôpitaly moa ireto olona tra-doza, saingy noho ny ratra nahazo azy dia tsy tana intsony ny ain’ilay vehivavy. Taorian’ny loza no tazana teny an-toerana ireo tompon’andraikitry ny filaminana, izay inoana fa nanatanteraka fanadihadiana sy niaro ilay toerana nitrangan’ny loza.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici