- Publicité -
dimanche, août 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRocade : Efa misy mpanendaka koa

Rocade : Efa misy mpanendaka koa

Antsy sy baka-plesy. Ireo no fitaovana tratra tany amin’ilay lehilahy izay narahina tsimoramora satria nampiahiahy. Teny amin’ny rocade izay mifanandrify amin’i Masay no nanomboka hafahafa ny fihetsik’ity lehilahy ity ary nanintona ny sain’ny polisy miasa amin’iny boriborin-tany iny. Teny an-dàlana tokoa dia nanatona olona izy ary nikasa ny hanendaka. Tsy hitany mihitsy ny mpanaraka azy ary dia noraisim-potsiny teo ilay lehilahy. Raha araka ny fanamarihana azo dia 35 taona izy ary ireo mpandeha an-tongotra eny amin’iny Masay iny no tena fataony lasibatra. « Rehefa natao ny fakana am-bavany ity lehilahy ity dia nihaiky izy fa azy ireo fitaovana ireo izay ampiasainy amin’ny asa ratsy ataony amin’iny faritra Masay sy ny manodidina iny ary ireo izay tratra hariva sy vao maraina no tena lasibatra amin’izany », raha araka ny fanazavan’ny polisy. Natolotra ny fampanoavana omaly ary nidoboka am-ponja vonjimaika

D.R

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici