- Publicité SW45 -
mercredi, octobre 23, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRocade : Fianakaviana simba fiara voaendaky ny jiolahy

Rocade : Fianakaviana simba fiara voaendaky ny jiolahy

Olona mba nandehandeha nivoaka alahady niaraka tamin’ny fianakaviana sy ny namana no azon-tsampona noho ny hetraketraky ny jiolahy. Teo ambanin’ny tetezana eo amin’ny rocade izay mifanandrify amin’Ambohimahitsy no voatery naka sisiny ireo fiara roa izay mifankahafantatra ny olona nentiny. Nafana be ny moteran’ny fiara iray hany ka tsy maintsy nijanona ary nambotra izany. Tokony ho tamin’ny valo ora alina teo izany. Minitra vitsy monja nijanonana dia efa nivoaka avy tao anaty haizina ny zatovolahy enina izay niaraka tamin’ny sabatra. Nambanana tamin’izany, natohoka teo amin’ny tenda ny antsibe. « Tena vonona ny hamono ireo jiolahy izay tena mbola tanora kely anefa. Tsy sahy ny nanohitra izahay fa dia nanaraka ny teniny », raha araka ny fanazavan’ny olona voatafika. Lasa avokoa ny finday, ny tablette sy izay mety ho azo nalaina. Ny an’ny vehivavy indray dia lasa koa ny poketra, ny rojo, ny famataranandro sy izay mety ho firavaka teny amin’izy ireo. Hatramin’ny karatra banky sy ny kara-panondro aza dia indray noendahin’ireo olon-dratsy avokoa. Tsy nisy azo natao avy hatrany fa dia nangasiasy fotsiny ireo fianakaviana voaendaka. Ny tena mampalahelo dia isan’ny mba zava-bita tsara eto amintsika ity lalam-baovao ity. Hatreto aza dia mba hita sarotiny ery ny tompon’andraikitra amin’ny fikarakaràna azy, toa ny hoe hasiana vy ny sisin-dàlana ary notampenana izay goaka. Hatreto aza dia mbola mitohy izany ka nahatonga ny làlana rocade etsy Amoronakona izay lalan-tokana aloha no azo andehanan’ny fiara. Izao dia mitady hosembanin’ny jiolahy sahady ilay zavatra tsara mba isan’ny mampitsiky kely ny olona. Mila hamafisina ny fisafoana eny an-toerana na koa hametrahana « caméra de surveillance ».

D.R

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici