- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversRocade Iarivo : Olona roa avy namonjy sasakalina voasakan’ny jiolahy mitam-basy

Rocade Iarivo : Olona roa avy namonjy sasakalina voasakan’ny jiolahy mitam-basy

Izy efa-dahy nanafika mpivavaka tetsy amin’ny rocade.

Basy sy sabatra no nentin’ireto olon-dratsy nanaovana ny asa ratsiny. Olona avy namonjy sasakalin’ny krismasy no lasibatra teny amin’iny lalam-baovaon’ny Rocade Iarivo iny, ny alin’ny alahady teo. Teny amin’i Père Pedro ireto olona roa ireto no namonjy ny alim-bavaka ho amin’ny sasakalin’ny krismasy. Tokony ho tamin’ny valo ora alina teo, dia nanapa-kevitra ny handeha hamonjy fodiana amin’izay izy ireo, nihazo an’iny Rocade Iarivo iny. Tsy lavitra teo, nobahanan’olona efa-dahy izy ireo, ary voambana tamin’ny sabatra sy ny basy. Tsy afa-nihetsika, tsy afa-nanao na inona na inona. Tamin’ny lalana nalehan’izy ireo ihany koa somary nangingina. Ny hany herin’izy ireo olona ireto dia nanome izay rehetra notakian’ireto olon-dratsy. « Vola sy finday miisa roa no lasan’ireto jiolahy » hoy ny fampitam-baovao azo. Tsy nitsoaka akory ireto olon-dratsy rehefa avy nahazo izay zavatra nilainy fa « nasain’izy ireo izy roa ka nolazainy fa tsy mahazo mitoditodika raha tsy izay hotifirina amin’ny basy ». Mazava ho azy, noho ny tahotra dia nanaraka an-tsakany sy an-davany izay notenenin’ireto mpanafika ireo lasibatra. Soa ihany, mbola teo ilay kintana nitarika ny mpiandry omby ho any Betlehema, izay angamba nitarika ireo pôlisy mpanao fisafoana ihany koa, hifanojo lalana tamin’ireto olona voaendaka ireto. Nilaza ny zavatra nanjo azy ireto farany, ary tsy niandry ela velively ireo pôlisy avy eo anivon’ny CUI, fa nanao ny fanarahan-dia sy nanenjika ireto olon-dratsy. Tsy niandry ela, taorian’ny fifanenjehana, voasambotra avokoa izy efa-dahy. « Rehefa nosavaina teny amin’izy ireo dia tsy hita teny intsony ilay basy fa ny antsy lava no tra-tehaka teny amin’izy ireo. Noentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisy izy ireo nanaovana fanadihadiana. Marihina fa 17 taona ny zandriny indrindra ary 23 taona no zokiny indrindra » hoy ny vaovao azo avy amin’ny pôlisy. Omaly moa izy ireo no natolotra teny anivon’ny pôlisy, ary nadoboka am-ponja vonjimaika. Azo lazaina fa nahitam-bokany tokoa ny hetsika nataon’ireo pôlisim-pirenena amin’izao ankatoky ny fety izao. Raha ny fantatra mantsy, nandritry ny sasakalin’ny Noely iny fotsiny dia nahatratra hatrany amin’ny 54 tany ho any ireo olona voatery nosamborina noho ny asa ratsy isan-karazany. (lahatsoratra etsy akaiky)

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici