- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversRocade : Misy mitoraka vato ny fiara amin’ny alina

Rocade : Misy mitoraka vato ny fiara amin’ny alina

Rehefa tsy lozam-pifamoivoizana dia fandrobàna. Izany no lasa adin-tsain’ny mpampiasa ny lalam-baovao « rocade » ankehitriny rehefa mandeha alina amin’iny. Toy izay nitranga ny alin’ny talata teo, nisy nitoraka tamin’ny vatobe ny fiara iray izay nandalo teo an-toerana. Nokendren’ireo olon-dratsy handalo amin’ny dongona izay napetraka mba hampihena ny hafainganam-pandehan’ny fiara ka hialàna amin’ny mety ho lozam-pifamoivoizana, teo no nanomboka ny toraka mafy.  Nahavaky ny fitaratra aorian’ilay fiara izany. Soa aza fa mba tsy nisy olona teo amin’ny seza nifanandrify ny nidiran’ilay vato fa dia azo antoka fa mety ho ratsy ny nahazo azy. Azon’ny mpamily sary an-tsaina avy hatrany ny zava-nitranga sy ny antony : misy mitady handroba. Notohizany ny diany ary faran’izay haingana ny nialàny teo amn’ilay toerana. Tsy nahoany intsony izay mety ho fahasimbàna nateraky ny fisaotiana ny dongona, ny aina aloha no novonjena. Matoa tokoa mantsy mahasahy mitoraka amin’ny vatobe ireo olon-dratsy, mety tsy hampaninona azy ireo koa ny handratrà na hamono rehefa avy eo. Tafatsoaka ilay fiara ary fahavoazana ara-materialy ihany izany no nanjo. Na izany aza, efa an-tapitsany izao ny vidim-pitaratra vaky, raha misy aza. Ny trano fiantohana rahateo dia miala fotsiny rehefa misy ny tranga toa izany, satria tsy lozam-pifamoivoizana no nitranga. Mampanontany tena ny maro hatrany ny zava-misy indraindray, toy ny hoe efa lasa fiainana iainana isan’andro (sy alina) ve izany ankehitriny ny herisetra sy ny fandrobàna isan-karazany ? Na koa hoe tsy velona intsony ve ny fiaraha-monina ankehitriny raha tsy ao anaty korontana ? Be loatra mantsy ny tsy firindràna sy ny tsy filaminana eto an-drenivohitra…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici