« Mila fandidiana maika aty Andrenivohitra na any ivelany ny havanay » hoy ny antso vonjin’ireo fianakavian’i Roger Lala Stephanie. Raha ny fitantaran’ireto olona ireto taminay, dia marary mafy ny havany, voarohirohy tamina resaka fangalàna an-keriny tao an-drenivohitr’i Betsimisaraka ity, ary voatazona vonjimaika ao amin’ny fonjan’Arivonimamo. « Hatramin’izay herintaona nitazonana azy izay, dia tsy misy olona afaka mamangy azy, eny fa na izahay fianakaviana aza. Tamin’ny alalan’ireo mpitsabo tao amin’ny toeram-pitsaboana nitondrana azy no nahafantaranay fa marary mafy ity havanay ity ary mila fandidiana maika » hoy hatrany ireto solontenan’ny fianakaviana ireto. « Fiangaviana sy antso avo ny anay, amin’ireto tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy. Na inona na inona ve antony hitazonana azy, tsy tokony mba hojerena ny maha-olona ary indrindra ny maha-vehivavy azy ». Raha ny filazan’ireto olona ireto, efa nampandre ny tompon’andraikitry ny fitsarana izy ireo mahakasika izao mahazo ny fianakavian’izy ireo ao amin’ny fonjan’Arivonimamo izao. Saingy voalaza fa tsy maintsy any Arivonimamo ihany izy no tsaboina fa tsy mahazo miakatra aty An-drenivohitra. « Araka ny fantatray anefa, dia tsy misy toeram-pandidiana any. Ka izany no hitalahoanay mba hitsaboana azy any amin’ny hôpitaly misy toeram-pandidiana ary ny hamelana anay fianakaviana hikarakara azy » hoy hatrany izy ireo.
Articles qui pourraient vous intéresser