Araka ny fangatahan’ny ivo-toeranam-pitsaboan’ny oniversite Analakininina Toamasina, CHU Analakininina, dia ny talata atoandro tamin’ny 11ora teo no natolotra azy ireo ny fametrahana “Sérum” avy amin’ny solombavambahoaka Roland Ratsiraka izay niisa 40. Nandray ny fanomezana nandritra izany ny profesora talen’ny hopitaly be Toamasina. Ity fitaovana ity izany ny fitaovana manaraka natolotry Atoa Roland Ratsiraka taorian’ireo kidoro maromaro nomeny ho fanampiana ny vahoaka. “Kely no natolotra ity fa saingy tena ilaina amin’ireo marary mila atao ‘Sérum’ ity zavatra natolotra ity…”, hoy Atoa Roland Ratsiraka. Nomarihany hatrany fa “mbola maro ny fanomezana ho atao ny hopitaly be ity, satria ny zava-bahoaka eto Toamasina no tsaboina ato ka ilaina ny fanampiana azy ara-pitaovana amin’ireo kely hananana”. “Tena ilaina ny fanomezanareo, satria isany mampijaly ny hopitaly be ny fananana azy ankehitriny…”, hoy kosa ny talen’ny CHU Analakininina hopitaly be Toamasina. Ankoatra izany dia isany nasian’ny solombavambahoaka Roland Ratsiraka teny ny mikasika ilay vakisiny ho tonga eto Madagasikara sy ireo tokony atao voalohany amin’izany. Raha ny heviny dia ireo beantitra sy ny mpiasan’ny fahasalamana no tokony laharam-pahamehana amin’izany vakisiny izany, fa tsy ny tafika sy ny polisy ary ny zandary akory. Raha ny tokony ho izy dia any amin’ny laharana fahatelo amin’ny fahavitan’ireo laharam-pahamehana roa ireo ny azy ireo. Ho an’ny talen’ny hopitaly be Toamasina kosa dia nomarihany fa efa mihena ny tahan’ny marary miditra hopitaly be amin’izao, tahaka izany koa ireo tranga ahitana fahasarotana. Tsy midika gaboraraka anefa izany satria aretina mora mirongatra ity coronavirus ity raha tsy ao ny fitandremana aminy.
Malala Didier