- Publicité -
mercredi, juin 4, 2025
AccueilFaits-DiversRolly Mercia : « Miady amin’ny fahafatesana », hoy ny vadiny 

Rolly Mercia : « Miady amin’ny fahafatesana », hoy ny vadiny 

Talohan’ny nanaterana azy teny Antanimora. (sary tahiry)

« Efa mankahery tena izahay fianakaviany, ary naman’ny efa mampionona saina » raha araka ny fanazavan’i Clarisse Razafy Rahajason, vadin’ny minisitry ny serasera teo aloha. Efa tena reraka i Rolly Mercia, ary na ny taratasy mahakasika ny fizaham-pahasalamany aza dia manamarina izany, hoy hatrany ny vadiny. « Miaka-midina be ny hafanany ary tsy mety milamina ny tahan’ny diabeta izay mahazo azy. Vokatr’izany, dia tsy mahita tory mihitsy izy ary manaintaina na andro na alina. Nihena be ary lasa mahia kely no sady reraka koa » raha ny fanazavan’ny loharanom-baovao mitovy momba ity tsy fahasalamam-badiny izay mifonja ao Antanimora ity, nanomboka ny alin’ny 16 jolay lasa teo. Notsorin’i Clarisse Razafy Rahajason, fa efa manamboatra sainy izy sy ny fianakaviany ary efa nanao fivoriam-be mba hentina hampahery saina. Hafatra an-taratasy no mba nifandraisanay, satria tsy afaka ny nifanatri-tava mihitsy, hoy hatrany izy. Olona valo izy ireo no miray trano famonjana, ary nisy izay efa afaka ankehitriny ka nitantara ny nanjo an’i Rolly Mercia ary nilaza fa mila mampionon-tena izahay fianakaviany. « Efa narahina avokoa ny pitsony rehetra ara-pitsarana izay mangataka ny famoahana azy vonjimaika noho ny antony ara-pahasalamana. Nolavina hatrany izany. Ankehitriny, dia manamafy izahay no sady mangataka ny hamoram-pon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina mba hamela an’i Rolly Mercia hitsabo tena, satria tena ahiana tanteraka ny ain’io mininistra teo aloha sady mpanolotsain’ny fiadidiana ny Repoblika teo aloha. Tsy sangisangy fa tena mangataka izahay ny mba hijerena manokana ny vadiko izay miady aman’aina ankehitriny ao Antanimora ao » hoy i Clarisse Razafy Rahajason. Niditra am-ponja rehefa voarohirohy ho nanohintohina ny filaminana anatiny i Rolly Mercia. Izy no voatondro molotra ho namatsy vola ny hetsika mitaky ny famoahana an’i Berija Ravelomanantsoa tetsy Ambohipo. Nosamborina teny an-tranony ny marainan’ny 16 jolay, ary ny harivan’iny ihany dia nidoboka tetsy Antanimora. Nolaviny avokoa ny fanenjehana. Nilaza ny mpisolovava azy, fa tsy nisy porofo nivaingana ankoatra ny fanononana ny anarany tao amin’ny fampanoavana. Miady aman’aina ankehitriny izy ao Antanimora ary manao antso vonjy ny vady aman-janany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

4 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici