- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversRolly Mercia : Nolavina ny fahafahany vonjimaika

Rolly Mercia : Nolavina ny fahafahany vonjimaika

Ny alakamisy teo no nandalo teo anivon’ny sampam-pitsaràna izay miandraikitra ny fandalinana ny fangatahana fahafahana vonjimaika ny taratasin-draharaha izay napetraky ny mpisolovava an’i Rahajason Harry Laurent na Rolly Mercia. Nolavin’ny fitsaràna izany ary dia mbola mitohy mijanona am-ponja vonjimaika aloha izany ity minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana teo aloha ity. Ny 16 jolay teo io farany no nosamborina teny an-tranony ary nentina tao amin’ny polisy etsy Tsaralalàna. Ny andron’iny ihany dia natolotra ny fampanoavana ary nidoboka am-ponja vonjimaika. Voarohirohy ho nanohintohina ny filaminana anatiny izy rehefa nahitsok’i Félicien, iray amin’ireo tanora izay nanao fitokonana tetsy Ambohipo ny 13 jolay ary nitaky ny famoahana am-ponja an’i Berija Ravelomamantsoa. Io farany dia olona akaiky ny fitondràna teo aloha, mpiaro mavitrika an’i Mbola Rajaonah izay mpanolon-tsain’ny Filoham-pirenena teo aloha. Ny olona izay voatonona dia migadra avokoa ankehitriny ary misy ny mbola tsy voatsara. Momba an’i Rolly Mercia, ankoatra ny pitsony hafa dia isan’ny tena antony nangatahany ny fahafahana vonjimaika ny tsy fahasalamany. Taizan’ny aretin’ny tatavia izy ary azo sokajiana ho olona marefo ka mora andairan’ny valanaretina Covid-19, raha araka ny fanazavan’ny fianakaviany. Fantatra anefa ankehitriny fa efa miparitaka ao amin’ny fonja izay misy azy (Antanimora) io valanaretina io ary samy efa nisy voa na ny voafonja na ny mpiandry fonja. Ankoatra ny fangatahana fahafahana vonjimaika dia efa nanao fanohanana ny didin’ny fampanoavana momba ny fitazomana am-ponja ny mpisolovava ity minisitra teo aloha ity. Nolavina koa anefa izany ary dia mbola mitohy izany ny fitazomana vonjimaika an’i Rolly Mercia ao Antanimora.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici