- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRolly Mercia : Nolavina ny fangatahany LP

Rolly Mercia : Nolavina ny fangatahany LP

Niakatra fitsaràna omaly indray ny minisitry ny serasera teo aloha, Rahajason Harry Laurent fantatra amin’ny anarana mpanao gazety Rolly Mercia. Nampiakatra teo anivon’ny fitsaràna ambony ny tenany mba ho fanoherana ny didy tamin’ny fitsarana ambaratonga voalohany izay nanasazy azy 30 volana an-tranomaizina. Tonga teny an-toerana ny tenany sy ny mpisolovava azy hatramin’izay, Me Eric Rafidison. Nahemotry ny fitsaràna amin’ny 15 martsa ny fandrasàna ity raharaha ity ary nolavina koa ny fangatahana fahafahana vonjimaika. Raha tsiahivina dia ny oktobra 2020 izy no nigadra rehefa voasazy 44 volana an-tranomaizina tao amin’ny fonjan’Antanimora. Raha atao ny kajy tsotsotra izany dia efa hivoaka tsy ho ela ny fonja ity minisitra teo aloha ity. Na izany aza anefa dia mbola nanao fanoherana ny didy ihany izy, angamba mba mety hivoahana mialoha kokoa. Ny tenany rahateo raha araka ny tombana dia mety ho isan’ny nisitraka ny fanenan-tsazy izay nambaran’ny mpitondra tamin’ny taon-dasa. Izany dia mety ho telo ka hatramin’ny 12 volana.  

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici