Omaly no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ireo olona fito, izay nahitana mpitandro filaminana telo sy sivily efatra, voarohirohy tamin’ilay resaka rongony aman-taoniny, nafatratra tao anaty gony 120 voasambotra tany Ihosy ny voalohandohan’ny herinandro teo. Araka ny fampitam-boavao azo avy any an-toerana, dia samy naiditra am-ponja vonjy maika avokoa ireto olona ireto, taorian’ny fihenoan’ireo mpitsara mpanao famotorana azy. Raha tsiahivina tokoa, dia fiara tsy mahato-dalana telo no nitondra ireto gony aman-jatony feno rongony ireto, izay nokasaina hampiakarina taty an-dRenivohitra. Tsy nijanona tamin’ny sakana nataon’ireo pôlisy tany an-toerana ireto fiara ireto ka antony nampisy ny fifanenjehana. Tsy ela dia tratra ireo fiara ary tamin’ny fisavana no nahasarona ireto rongony marobe ireto sy ireo olona niaraka taminy.
m.L