Heverina fa nokasaina hampiakarina aty an-drenivohitra ireto rongony maina amina kilao maromaro ireto. Soa ihany teo ny pôlisy, ary sarona soa aman-tsara. Ny alakamisy lasa teo, saron’ny pôlisy teo amin’ny sakana teo Ihosy ny fiara iray, nitondra rongony, telo gony. Olona miisa telo no voasambotra sy notazomina tamin’izany, araka ny fampitam-baovao azo. « Fitazomana sy fikasana hivarotra zava – mahadomelina » no vesatra hanenjehana azy ireo. Raha ny fampitam-baovaon’ny pôlisy dia efa nezahin’ireto mpibizina rongony nafenina tsara tao anaty entana sy vokatra maromaro izany rongony izany, saingy noho ny fahaiza-manaon’ireo mpitandro filaminana mpametraka sakana dia hita sy sarona ihany izany zava-mahadomelina izany. Tamin’ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa avy any Toliara no nakan’izy ireo an’izany zava-mahadomelina izany. Nentina natao fanadihadia avy hatrany moa izy telolahy ireto raha nogiazana sy natao ambalam-pamonjana kosa ilay fiara nentiny. Mitohy kosa ny famotorana mahakasika ity raharaha ity any an-toerana.
m.L