- Publicité -
jeudi, juillet 24, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRongony « heroine » tratra teto Toamasina : Tena tambajotra goavana, efa...

Rongony « heroine » tratra teto Toamasina : Tena tambajotra goavana, efa nanao toy izao koa ny 10 janoary ny sambo « Cailas »

Nivoatra haingana ny raharaha fahatrarana rongony mahery vaika “heroine” tao amin’ny sambo MSC Lucia miantsona ao amin’ny seranan-tsambo “mole C” eto Toamasina, ka nivoaka tamin’ny fahanginany ireo tompon’andraikitra samy hafa misahana ny fanadiadiana sy ny raharaha, izay tarihan’ny sampana miandry amin’ny fanondranana zava-mahadomelina sy ny hareim-pirenena eo anivon’ny ladoany Malagasy eto Toamasina; ka nahitana ny zandary sy ny polisy miasa eo anivon’ny seranan-tsambo ary ny sampan’ny “capitainerie” ny seranan-tsambon’i Toamasina.

Raha ny fanazavan’ireto tompon’andraikitra ireto dia milanja 03kgs sy 138g ireto rongony mahery vaika “heroine” tratra ireto raha miala ilay fonosana be niarovana sy nanafenana azy. Saika teo amin’ny “pont” ny sambo sy tao anaty lakaly ary tamina “palette” na entana hahondrana any Maurice no nahitana ireo fonosana telo nisy ireto “heroine” ireto, ilay karazany “heroine pure” saingy efa azon’ireo mpidoroka azy ampiasaina amin’ny ilany azy izy ireo. Mitentina eo amin’ny 600 tapitrisa ariary eo ny sandan’ireto rongony ireto raha raisina amin’ilay 200.000 ariary hatramin’ny 300.000 ariary ny grama amin’izany eto amintsika rah any fanazavana. Saika rongony avy any Pakistan sy ny faritra manodidina azy avokoa ireo rongony mahery vaika miditra antsokosoko sy havoaka antsokosoko ato anatin’ny fari-dranomasina Indiana eto amintsika ireto. Raha ny angom-baovao anefa dia hatramin’ny taona 2012 no mankaty dia nahazo vahana ny fanafaran’i Madagasikara entana any amin’ireo firenena ireo indrindra ny resa-bary, ka izao lasa mampitombo ny fidiran’ny rongony mahery vaika avy amin’ireo firenena ireo izao eto amintsika. Nefa raha tovovavy karamaina hatrany no nasaina mitondra izany ao Maurice amin’ny alalan’ny fiaramanidina hatramin’izay, dia niova ho firaisana tsikombakomba amina sambo sy tatsambo ary mpiasa an-dranomasina indray izao no natao nanomboka ny taona lasa ka hatramin’izao.

Tsy sambany anefa izao raha ny fanazavana azo tamin’ireo tompon’andraikitra ireo tamin’ny volana janoary ity monja, satria efa nisy koa ny fahatrarana ny sambo ao anatin’ny vondrona MSC ihany antsoina hoe “Cailas” efa tratra tao Maurice ny 10 janoary teo nitondra rongony avy eto Madagasikara niainga tamin’ny tambajotra matanjaka teo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ka nilanja 04kgs sy 200g izany tamin’izay fotoana izay. Nandray fepetra moa ny seranan-tsambon’i Toamasina ankehitriny fa ireo sambo rehetra mpitatitra eto  Toamasina – Maurice indrindra indrindra dia tsy maintsy savaina ifotony avokoa alohany hialany eto Toamasina. Ny sambo MSC Lucia moa hatreto dia mbola tsy afaka mandeha noho ny fanadiadiana amin’ireo tatsambo mikasika ity raharaha rongony “heroine” tratra tao anatin’ny sambon’izy ireo ity.

Malala Didier

Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici