- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversIavoloha : Rongony iray taonina latsaka saron’ny pôlisy

Iavoloha : Rongony iray taonina latsaka saron’ny pôlisy

Vola aman-tapitrisany maro indray aloha no very amin’ireo mpanao trafikana rongony ary olona maromaro no voavonjy amin’ny fidorohana zava-mahadomelina, noho ny ezaky ny pôlisy ny sabotsy lasa teo. Tetsy Iavoloha, rongony maina vonon-kamidy milanja eo amin’ny 920,8 kilao teo ary  vao avy nafarana avy any Atsimon’ny Nosy no saron’ny pôlisy misahana ny fanadihana manokana. Olona efatra no voasambotra ary nogiazana avy hatrany ireto zava-mahadomelina mahery vaika ireto. « Fiara roa nampiahiahy avy any Toliara no nosakanana ary nosavaina ka nahitana rongony miisa 49 gony. Tao aorian’izay dia nosavaina ny tranon’izy ireo ka mbola nahitana rongony miisa 40 gony » hoy ny fanazavana. Raha ny fampitam-baovao azo dia saika avy any amin’iny faritra Atsimo iny avokoa ireo rongony miparitaka eto an-drenivohitra. Mazava ho azy fa mivezivezy amin’iny lalam-pirenena fahafito iny izany trafika izany. Vao tsy ela, hoy hatrany ny vaova no nisy lehilahy voasambotra tetsy Andohatapenaka, izay nahatratrarana rongony milanja teo amin’ny 405 kilao mahery kely teo. Rongony izay voalaza fa avy any Farafangana. Araka izany, nasiana fanamafisana tanteraka ny fisavàna ireo fiara mivezivezy sy mindrana iny lalam-pirenena fahafito iny, raha ny voalazan’ny pôlisy hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici