Tovovavy iray vao 17 taona monja, niaraka tamin’ny lehilahy anankiroa, 50 sy 35 taona, no voatery nosamborin’ny pôlisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina, tetsy Ambodihady Ambohimanarina, ny alarobia lasa teo, noho ny fandraisana sy fivarotana zava-mahadomelina mahery vaika. Fantatra amin’ny anarana hoe « amphetamine », mbola nahatratarana ampahany, izay milanja teo amin’ny 22,5 grama teo tany amin’izy ireo tamin’ny fotoana nahatratrarana azy.
Iaraha-mahalala tokoa ny firongatry ny fandraisana ireo rongony mahery vaika eto amintsika, indrindra moa fa ny eto an-drenivohitra. Matoa miparitaka sy takatry ny maro an’isa tahaka izany ireo zava-mahadomelina ireo dia tsy maintsy misy ireo mpamatsy sy mpivarotra ary mpanaparitaka izany eny anivon’ireo kartié maro eto Antananarivo. Tamin’ity indray mitoraka ity dia nisy ny loharanom-baovao azon’ireo mpitandro filaminana tamin’ny olona tsara sitrapo, mahakasika ny fisian’ireto andian’olona mivarotra zava-mahadomelina mahery vaika ireto. Nametraka fandrika avy hatrany ny pôlisy ary tsy afa-niala intsony ireto fanetriben’ny firenena ireto. « Rehefa natao ny famotorana azy ireto dia alefan’izy ireo « colis » io zava-madomelina io ka efa volana maromaro no nivarotana sy nidorohana io zava-madomelona io », hoy ny fampitam-baovao azo. Tamin’io fotoana nisamborana ireto olona ireto moa, raha ny vaovao azo hatrany, ankoatra ireo zava-mahadomelina hita tany amin’izy ireo dia mbola nahitana fitaovana entina midoroka izany ihany koa tany amin’izy ireo. Izany hoe, tsy mivarotra ihany no ataon’ireto olona ireto fa sady mandray ihany koa. Taorian’ny fakana am-bavany azy ireo dia efa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana izy telo mianadahy ireto ary nadoboka am-ponja vonjimaika, araka ny vaovao azo teo anivon’ny pôlisim-pirenena hatrany.
m.L