Mitohy hatrany ny ezaka ho famongorana ny fanaparitahana ireo rongony mahery vaika ataon’ny eo anivon’ny pôlisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina. Ny talata teo, tovolahy vao erotrerony, samy 22 taona no voasambotra, rehefa tra-tehaka ambody omby, teo am-pivarotana rongony mahery vaika, “heroine”, teny Ambohijafy Itaosy. Efa naraha-maso nandritry ny fotoana vitsy izy ireo, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena ary izao niafara tamin’ny fisamborana azy ireo izao. Teny an-toerana mantsy dia “efa maro ny fitarainana voaray ny amin’ireo zatovolahy manaparitaka zava-mahadomelina eraky ny tanàna ka nanaovana izao velam-pandrika izao”. Taorian’ireo tsongon-dia isan-karazany dia nanao bemidina avy hatrany tao an-tokatranony ny iray tamin’ireto roa lahy ireto ny pôlisy. Vokany, tsy afa-niala intsony izy ireo. Mbola nahatrarana an’izany rongony mahery vaika izany aza tao aminy, raha ny vaovao azo hatrany. Marihana, hoy hatrany ny loharanom-baovao fa vao tsy nisy roa herinandro akory izy ireo no nanao ity bizina maloto ity. Mahazo roa arivo ariary isaky ny “dose” izy ireo amin’izany ary efa maromaro ihany ny mpanjifa sy ny olona mahafantatra azy ireo. Mazava ho azy fa sady mpandray izany rahateo moa izy roa lahy ireto. Taorian’ny fisamborana moa dia nentina avy hatrany nihazo ny kaomisaria izy ireo, atao famotorana, ary natolotra ny Fampanoavana omaly.
Mbola lavitra tokoa ny ezaka, raha amin’ity ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina mahery vaika eto amintsika ity, na dia eo aza ny tsy fikelezan’ireo mpitandro filaminana aina. Ity farany ity rahateo no voalaza aloha hatreto ho nahatonga ireo “ fahaverezana olona” nifanesisesy nandritry ny fotoana maro teo aloha teo. Tranga izay somary nangingina aloha hatreto ary na ny fanadihadiana lalina nahakasika izay ihany koa aza …
m.L