- Publicité SW45 -
vendredi, décembre 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRongony mahery vaika : Mpivarotra « skunk » anankiroa tra-tehaka tetsy By pass

Rongony mahery vaika : Mpivarotra « skunk » anankiroa tra-tehaka tetsy By pass

Toy izao ireo « skunk » tany amin’izy roalahy.

Ankoatry ny « rôrô », izay tena efa miparitaka tanteraka eto amintsika dia mbola misy karazany hafa antsoina hoe « skunk » izany koa, karazan’ireo rongony mahery vaika ihany, misy mivarotra etsy sy eroa. Tsy nampoizin’ireto roalahy ireto mihitsy, ny zava-nisy fa efa polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina no nanoloana azy ireo, ny alahady maraina lasa teo. Raha ny vaovao azo avy amin’ny pôlisy mantsy dia efa tonga teny amin’izy ny tsilian-tsofina, ny amin’ny fisian’ny mpivarotra an’ity karazana zava-mahadomelina ity eto amintsika, izay voatondro fa any amin’iny faritra Imeritsiatosika iny. Mazava ho azy, tsy sarotra loatra tamin’ireto mpitandro filaminana ny namantatra avy hatrany ireto mpivarotra ary ny hisambotra azy ireo am-bodi-omby, eo am-pivarotana izany. Napetraka avy hatrany araka izany velam-pandrika, ary nilaza fa ho mpividy izany « skunk » izany ireo mpitandro filaminana. Teny amin’iny faritra By pass iny, ny 23 aprily vao maraina no nifanome fotoana ny roa tonta. Ireo mpivarotra sy ilay milaza ho mpividy. Ary inona tokoa, tonga soa aman-tsara tamin’ny fotoana nifanomezana ireto roalahy ary teo am-panolorana ny « entana » mihitsy no noraisim-potsiny. « Amin’ny fisavana azy ireo dia nahatratrarana rongony mahery vaika na « Skunk » 20 fonosana izay milanja 62,56 grama teny amin’izy ireo » araka ny vaovao azo. Tamin’io fotoana io ihany moa dia nentina nihazo ny biraon’ny pôlisy izy roalahy ireto ary nanokafana fanadihadiana. « Niaiky izy fa azy ireo rongony mahery vaika ireo. Efa ho telo volana no nivarotan’izy ireo Skunk izao ka amin’ny alalan’ny Facebook sy antso an-tariby no hanaovana ny varotra, ary avy any Ankadinondry Sakay avy any no fangalàn’izy ireo izany ». Marihana fa toy ny karazana rongony fohana fahita ireny ihany ny « skunk » saingy somary mahery vaika kokoa noho ireo izay efa fantatra. Ady goavana ho an’ny rehetra tokoa ny fiparitahan’ny rongony sy ny fandraisan’ny ankabeazan’ny olona izany, indrindra fa ireo tanora, ary hanentanana ny rehetra, ho samy tompon’andraikitra, ary hampandre avy hatrany pôlisy raha mahita tranga hafahafa.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici