Tao Manakara no raikitra ny fisamborana. Saron’ny polisy tao an-toerana, noho ny fifohana rongony, ireo tanora izay tsy nisy ampy taona ary ao amin’ny kilasy 3e ny lehibe indrindra. Raikitra ny fisamborana izay tsy maintsy nangalàna alàlana tamin’ny tompon’andraikitry ny sekoly aloha. Niezaka ny nitsoaka ihany ireo mpianatra fa tsy afa-niala intsony. Nidoboka am-ponja ny dimy ary arahan’ny fitsaràna maso kosa ny iray farany; izay vehivavy.
nangonin’i D.R