Fiara fitateram-bahoaka no nentina nitatitra rongony. Roa gony no sarona nandritry ny fisavàna tampoka izay nataon’ny zandary teo Ambatolampikely, RN2 kaominina Ambanitsena. Sarona avy hatrany ny roa lahy tompon’andraikitra tamin’izany. Notazomina ary nanokafana famotorana. Etsy ankilan’izay, nampidirina « fourrière » ny fiara ary tsy navela nihetsika intsony. Raha araka ny fanampim-baovao avy amin’ny zandary dia nidoboka am-ponja vonjimaika ireo tompon’ny rongony. Tsy zava-baovao loatra ny fivezivezen’ny rongony eto amintsika. Ny antony dia tapitra voafehy avokoa ny mety ho fambolena izany ety an-drenivohitra. Tsy maintsy ireo miainga any amin’ny faritra hafa no miakatra mamatsy ny aty afovoan-tany. Mitady ny fomba rehetra arak’izany ireo mpamatsy ny amin’ny fitaterana zava-mahadomelina. Efa tapitra hita teto avokoa ny fiara mpitondra marary, fiara an’ny manam-pahefana, taxi-brousse, kamiao mpitatitra solika sy ny hafa koa izay nahatratrarana rongony tsy ho an’ny mpamily akory fa amin’ny gony marobe hampiakarina aty an-drenivohitra. Midika izany fa raha tena mafy ny fanaraha-maso ny fiara mivezivezy, toa ity tetsy Ambanitsena ity, dia mety ho tapitra ny fivezivezen’ny rongony eto amin’ny firenena. Saingy mafy koa ny mpibizina ao anatin’ny kolikoly ary mbola ady hafa koa izay.
D.R