- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversRotary Club Antananarivo Ambohitsorohitra : Kidoro 25 isa ho an’ny toby fitazaina...

Rotary Club Antananarivo Ambohitsorohitra : Kidoro 25 isa ho an’ny toby fitazaina zanaka Polisy maty am-perin’asa

Tontosa ny alatsinainy teo, tetsy amin’ny Cemes Antanimora, ny fanolorana ireo kidoro Vitafoam 25 ho an’ny Toby fitaizana ireo zanaky ny pôlisy maty am-perinasa any Ambatolampy. Tonga nanolotra izany teny an-toerana ny Filoha lefitry ny fikambanana Rotary Club Antananarivo Ambohitsirohitra, Kaomisera Tsaramonina Ravony Jean Victor, notrononin’ireo mpikambana vitsivitsy. Nisolotena ny Minisitry ny filaminam-bahoaka, nandray izany fanomezana izany kosa ny Talen’ny fiahiana ny mahaolona, Kaomisera Rakotondravelo Herilanto. Tonga nantrona sy nanome voninahitra ity lanonana ity ihany koa ny Governoran’ny Distrika 9220 (Madagasikara sy ireo Nosy manodidina azy) sy ny lefiny eo anivon’ny Rotary Club. Nivohitra tamin’ny alalan’ny kabary nifandimbiasana ny maha-zava-dehibe ny asa fanasoavam-bahoaka indrindra fa ny fijerena ny lafiny maha-olona. Nanipika ihany koa ny teo anivon’ny Polisim-pirenena fa zava-dehibe amin’izy ireo izay fanampiana sy fanohanana ny toby toa izao. Tsy natao ho an’ny Fianakaviam-ben’ny polisim-pirenena fotsiny tokoa mantsy ny fiahiana ireo zaza kamboty navelan’ireo polisy maty teo am-pamitana ny adidiny ireo, ary ny fisian’ny malala-tanana tahaka izao dia tena manampy betsaka azy ireo. Mirary ny fitohizan’ny fiaraha-miasa hatrany izy ireo ary manantena ireo hafa mbola hanampy amin’izany asa fanabeazana sy fitaizana izany. Fisaorana mitafotafo no natolotra ny fikambanana Rotary Polisim-pirenena fa indrindra ny angady nananana sy vy nahitana izao fanomezana izao, dia ny orinasa Matela Vitafoam, izay nosoloin’ny Tale jeneraliny tena, Atoa Fréderic Suire, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser