Miparitaka izay tsy izy amin’izao fotoana izao ny fitaovam-piadina. Lehilahy iray nampiahiahy ny mpitandro filaminana no nosavaina teny amin’ny “Route Digue”. Nandeha taxi izy tamin’io. Rehefa natao ny fiasavana azy dia nahitana basy roa vita gasy tany aminy. Ny marainan’ny alakamisy 02 oktobra 2014 tokony teo amin’ny 07 ora sy sasany teo ho eo no nitrangan’izany. Tsy nanana taratasy ahazoana mitazona ireo fitaovam-piadiana ireo ny lehilahy. Nentina nohadihadiana teny amin’ny biraon’ny Polisy tao Ilanivato ity lehilahy ity ka tamin’izany no nilazany fa novidiany tamin’olona tany Imerintsiatosika ireo basy ireo, ary hoentina any Tsaratanana, ka hamidy ny iray ary ny faharoa dia hiarovany tena amin’ny maha tantsaha azy. Hatolotra ny Fitsarana anio 03 oktobra 2014 ny lehilahy.
r.s.