Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray ny làlan’ny Digue eny Andohatapenaka. Omaly, tokony ho tamin’ny telo ora hariva dia lehilahy iray tokony ho 25 taona eo ho eo indray no maty tsy tra-drano voahitsaky ny fiara 508 Mercedes. Manoloana ny hopitaly manara-penitra no nitrangan’ity loza mahatsiravina ity. Raha ny fijoroana vavolombelona nataona mpitondra moto iray nanatri-maso ny loza dia famonoan-tena tsotra izao no nahatonga an’ity lehilahy ity ho faty fa tsy loza araka ny fiheveran’ny maro azy sanatria. « Tazako nijoro teo amin’ny sisin-dàlana izy sady nitodika niankavanana mankaty amin’ny hopitaly. Tsy nisy nanampo ny zavatra hitranga. Tsikaritro saika hiampita izany izy nony nahita fiara Sprinter nandalo. Saingy tsy tapa-kevitra tamin’ny ora farany. Nony nandalo anefa ilay Mercedes izay teo alohako dia avy hatrany izy dia nitsoraka tao ambanin’ny kodiarana», hoy ny fitantaran’i Ben, vavolombelona nanatri-maso ny loza. Fiara ao anatin’ny koperativa FIFIABE mampitohy an’Antananarivo amin’ny kaominin’i Mahitsy ity voakasika tamin’ity raharaha ity. Raha ny fanampim-panazavana azonay hatrany dia tsy nanampo ny zavatra nitranga velively ny mpamily ny fiara. Tazany ihany ilay olona nijoro fa tsy tsikariny ho nitsoraka. « Nisy zavatra nipoaka be tampoka. Izay no nanaitra anay rehetra tao anaty fiara fa tena voahitsaka ilay olona. Ny nitsorahany kosa tsy hitako », hoy ilay mpamily. Ny lohany sy ny tratrany no tena voa tamin’ity loza ity. Tsy nisy nahafantatra izy na mipetraka eny amin’ny manodidina ihany na tsia. Marihina fa tsy tafajanona ity fiara ity raha tsy 10 metatra niala teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza. Ankoatra ireo polisy « motards » niandraikitra ny fifamoivoizana teny amin’iny làlana iny dia efa tonga teny an-toerana ihany koa ny polisy teo anivon’ny « Brigade des Accidents » nanao ny fizahana sy nandray an-tànana ny raharaha. Misokatra araka izany ny fanadihadiana.
Niony H.