- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-Divers« Route Digue » : Mpitandro filaminana tratra nangalatra « sprinter »

« Route Digue » : Mpitandro filaminana tratra nangalatra « sprinter »

Eny Tsifahy avy hatrany ! Tsy niandry ela fa omaly ihany dia efa nentina nohenoina teny anivon’ny Fampanoavana teny Anosy ilay mpitandro filaminana, tratran’ny pôlisin’ny boriborintany faha-6, raha saika hangalatra fiara «  sprinter » teny amin’ny sampanana Ambohitrimanjaka omaly maraina. Tsy vitan’ny saika hangalatra fotsiny fa mbola nisy fikasàna hamono ho faty ny mpamily tompon’ilay fiara ihany koa. Nadoboka any am-ponja avy hatrany ranamana miandry ny fotoam-pitsaràna azy, raha ny vaovao voaray. Raha ny zava-nitranga, ny alakamisy teo, tonga teny amin’ny Fasan’ny karàna ity mpitandro filaminana ity, izay marihana hoy ny vaovao fa tsy nanao fanamiana tamin’io andro io. Efa nitily sahady ity fiara ity, ary nilaza tamin’ny tompony fa mila « sprinter » seza efatra, entina hitsenàna vazaha eny Ivato, izay ho avy io alina io ary entina any Ambatolampy. Nanaiky ilay tompony ary tapaka fa teny 67ha ny fotoana ny alakamisy hariva tamin’ny 7 ora. Efa mailo anefa teo ilay tompon’ny fiara, raha ny filazany, fa somary hafahafa ity olona ity. « Tamin’io fotoana io anefa ity no nampiseho karatra amin’ny maha mpitandro filaminana azy izy ». Tonga teny amin’ny seranana, tsy hita ilay vazaha ary nilaza ilay mpitsena fa efa lasa izy ka nifamome fotoana eny 67ha. Amin’ny 2 ora maraina sy 15 minitra ny andro. Nivadika ny raharaha fa avy hatrany dia namoaka basy ilay mpitandro filaminana ary nitifitra avy hatrany ilay mpamily. Nahay niala ity farany ary tsy voa. Nihitsoka ihany koa ilay basy raha saika hitifitra fanindroany ilay olon-dratsy. Raikitra teo ny fifanjevoana, samy naratra ireto roalahy. Raha vao nahare antso mahakasika ny fisiana feom-basy sy fanafihana kosa ny pôlisin’ny boriborintany fahenina dia tonga haingana teny an-toerana. Nosamborina avy hatrany ity olon-dratsy ity, izay mbola sahy nilaza tamin’ireo pôlisy fa izy no tompon’ilay fiara. Tamin’ny fisavàna natao dia mbola nahitana fitaovana maromaro tany aminy, niaraka tamina « plaque »-na fiara iray hafa vaovao. Mpitandro filaminana am-perinasa ity lehilahy 36 taona ity, raha ny fanazavàna azo avy amin’ireo pôlisy, ary miasa eny Ivato eny. Nanatrika ny fakàna am-bavany azy rahateo tany amin’ny fitsaràna ny lehibeny, raha ny fantatra hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici