- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-Divers« Route Digue » : Niharan-doza i Meizah, potika tanteraka ny fiarany

« Route Digue » : Niharan-doza i Meizah, potika tanteraka ny fiarany

MEIZAH
MEIZAH

Malaza ratsy tanteraka ankehitriny ny làlana eny amin’ny «digue » iny. Meizah, izay mpanakanto malaza sy ankafizin’ny tanora ankehitriny indray no niharan’ny lozam-pamoivoizana. Ny alin’ny sabotsy lasa teo no nitrangan’ny loza. Raha ny filazan’ireo akaiky azy dia izy irery no tao anatin’ny fiara. Voalaza fa avy niasa tao amin’ny tranombarotra lehibe iray teny amin’iny faritra iny ny tenany talohan’izao loza izao. Raha iny izy hihazo ny làlany hody iny anefa dia nisy lehilahy iray nanaka-dàlana azy. Mba hialana tsy handona ity farany dia namily ny fiarany i Meizah saingy notsenaina fiara hafa koa. Nikendry izay tsy hifandonana tamin’io fiara hafa io ny fiaran’i Meizah ka dia nivily làlana fanindroany ka dia izao nivadika izao. Naratra araka izany ny tenany saingy efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ity mpanakanto andrarezin’ny mozika rn’b malagasy ity ka efa salama tsara tsy misy ahiana intsony. Ny fiarany kosa dia potika tanteraka tsy nisy noraisina.

Niony H.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici