- Publicité -
lundi, juillet 14, 2025
AccueilFaits-DiversRoute Digue : « Panneaux solaire » 43 no efa lasan’ny mpangalatra

Route Digue : « Panneaux solaire » 43 no efa lasan’ny mpangalatra

panne-2Isaky ny avy ny orana dia tsikaritra fa mihena am-pitoerana ny isan’ny andrin-jiro mpanazava ny lalana digue. Rehefa nataon’ny mpitandro ny filaminana ny fanisàna dia voamarina fa 43 tamin’ireo 135 izay mipetraka eny an-toerana dia efa nanjavona avokoa. Niainga tamin’izany ny fanapahan-kevitry ny pôlisy izay niara-niasa tamin’ny andrimasom-pokonolona, ny amin’ny hisamborana ny olon-dratsy. Natao ary ny vela-pandrika sy ny fanaraha-maso isan’alina, indrindra rehefa avy ny orana. Nisy lehilahy iray tratra teo am-panatontosana ny asaratsiny. Telo izy ireo no tompon’antoka tamin’izany saingy tafaporitsaka ny roa. Tsy nety nilaza ny namany ilay olon-dratsy fa kosa nanazava fa nisy olona maniraka azy ireo, ao ambadiky ny halatra. Natolotra ny fampanaovana omaly ary nidoboka am-ponja vonjimaika. Tamin’ny voalohany dia ny “batterie” izay mandefa ny herinaratra rehefa maizina ny andro no tena nataon’ireo mpangalatra lasibatra. Izany hoe ny tany misy ireo andrin-jiro no nolavahana ary nangalàna izany. Nivoatra hatrany anefa ny filàna ary lasa nivadika ireo “panneaux solaire” indray no nalaina. Raha mitohitohy angamba izany ka tsy misy ny fanaraha-maso matetika dia mety hobatain’ireo hatramin’ny vy amin’ny andrin-jiro ary dia tsy hisy na inona na inona hita maso intsony. Indraindray mampanontany tena hoe lasa kolontsaina ve ny fangalarana ho an’ny olona sasany? Hatramin’ny vy amin’ny tetezana aza mantsy dia misy maka. Marina fa misy ny mividy vy amin’ny kilao fa ilay saina tia mangalatra no mety tena mibahana. Tsy mba tia zavatra tsara ary tsy sarotiny amin’ny fananam-bahoaka izany intsony. Ny tena ratsy aza dia toa tsy velona anaty filaminana izany mihitsy angamba ny ankamaroan’ny sasany…

D.R.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici