Miditra amin’ny andiany faha-03 ny RRI na “Dian’asa Ahitana Vokatra Haingana” eo anivon’ny fitsarana Toamasina. Manomboka anio izany izay tsy hifarana ny 100 andro raha tsy ny 20 jona ho avy izao.
Mandritra ity andiany faha-03 ny RRI-n’ny fitsarana Toamasina, dia ny fanohizana ny ezaka amin’ny fampidirana ireo saram-pitsarana sy ny lamandy navoakan’ireo nandritra ny famoahany didy no angonina mandritra izany. Efa nivoaka rahateo ny fandaharam-potoana hitetezana ireo distrika samy hafa, ka atao ny 11 aprily ny distrikan’i Fenerivo atsinanana, ny 25 aprily ny ao Brickaville, ny 09 may ny ao Vavatenina, ny 23 may kosa ho an’i Soanierana Ivongo ary ny 06 jona ny an’i Sainte Marie. Ho an’ny fitsarana ao Toamasina kosa misokatra hatrany ny birao manokana mikasika izany.
Ny tanjona ao anatin’ny RRI faha-03 ity noho ny fahakelezan’ireo lamandy sy saram-pitsarana araka ny didy ady heloka Malagasy, dia hampiditra vola 3.220.000 ariary izy ireo ao anatin’ny 100 andro. Ankilan’izany, dia hapetraka ny 30 jona izao kosa ny birao hisahana ity fanangonana ny lamandy sy saram-pitsarana ity eo anivon’ny fitsarana ambony, izay famatsiam-bolan’ny fiaraha-miasa sy kolontsaina frantsay no hiantoka ireo fitaovana am-piasaina rehetra amin’izany.
Ankoatra izany anefa, dia mety hisaritaka ny fanombohana an’ity RRI andiany faha-03 ny fitsarana ao Toamasina ity, noho ny fisian’ny fitokonan’ireo mpirakidraharaha manomboka anio. Misy ekipan’ireo mpirakidraharaha mantsy mifanampy amin’ny mpitsara amin’ny fanangonana izany…
Malala Didier