- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversSabotsy alina : Nambenana mafy ny biraom-panjakana

Sabotsy alina : Nambenana mafy ny biraom-panjakana

May ny trano fitoeran’entana tetsy Ambohitsorohitra. May ihany koa ny tranon’ny Jeneraly Fidy Andrianafidisoa. Teo anelanelan’ireo fotoana ireo anefa, dia nisy baiko nidina avy any amin’ny mpitondra fanjakana dia ny hanamafisana tsy misy hatak’andro ny biraom-panjakana izany. Samy niasa avokoa ny mpitandro ny filaminana rehetra, vondrona tsy an-kanavaka. Rehefa nohamarinina dia fantatra fa, feo nandeha ny amin’ny mety hisian’ny olona hanakorontana sy hanongam-panjakana manomboka ny alin’ny asabotsy teo, no anton’izany rehetra izany. Tsy nisy ny korontana ary matetika rahateo, rehefa misy ny feo mandeha ohatr’izany ,dia tsy tanteraka ny fikasan’ny olon-dratsy. Ny nahataitra kosa anefa dia ny fisian’ny hain-trano tetsy Antsakaviro ; izay trano ipetrahan’ny Jeneraly miaramila roa sy kôlônely iray. Hita ho nifamezivezy eran’ny renivohitra ireo fiara tsy mataho-dàlana maro, torak’izany ihany koa ny kamiaona miaramila sasantsasany. Midika izany rehetra izany fa, tsy natao ambanin-javatra mihitsy ilay feo nandeha. Amin’ny lafiny iray koa dia nanaitra ny saina ihany izany fepetra noraisina izany, andro iray taorian’ny naha-may ilay toerana iray tetsy amin’ny lapan’Ambohitsorohitra ny zoma teo. Ekena fa mety ho fifanandrifian-javatra avokoa izany rehetra izany ary mety ho izay rahateo ny fanazavana ofisialy hivoaka. Saingy raha izany ihany, tsara raha mba ampahafantarina am-pahibemaso ny valin’ny fanadihadiana, mba tsy hietriretan’ny olona zava-dratsy loatra…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser