- Publicité -
jeudi, juillet 31, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSabotsy Namehana : Andian-jiolahy nirongo basy nanafika fivarotana, olona iray voatifitra

Sabotsy Namehana : Andian-jiolahy nirongo basy nanafika fivarotana, olona iray voatifitra

Noheverin’ilay tompon’ny fivarotana fa basy kilalao no nentin’ireo mpanafika ka niezaka nanohitra izy, kanjo nitifitra ireo tsy valahara ary voa teo amin’ny sandriny ilay lehilahy ary naratra mafy. Nanao izay danin’ny kibony avy eo ireo mpanafika.

Nitrangana fanafihana indray teny amin’iny distrikan’Avaradrano iny ny harivan’ny alatsinainy lasa teo. Toeram-pivarotana enta-madinika tao amin’ny fokontany Soaniedanana ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana no lasibatry andian-jiolahy nirongo fiadiana, tamin’io hariva io tokony ho amin’ny fito ora tany ho any. Vokany, ankoatr’ilay rangahy tompon’ny tsena izay naratra voatifitra dia lasan’ireo olon-dratsy ny fitoeram-bola izay nisy ireo vola maty rehetra nandritry ny andro. Araka ny angom-baovao azo dia manodidina ny telolahy teo ireto mpanafika, tsy nisy nisaro-tava, no nanao amboletra niditra tao amin’ilay tsena. Somary mbola mazava ny andro tamin’izany na dia efa somary hariva aza, ary eny an-toerana ihany koa, araka ny fantatry ny rehetra dia mbola be olona somebiseby tamin’izany andro izany. Tsy nahasakana akory ireo olon-dratsy tsy hanao ny asa ratsiny anefa izany. Nirongo basy izy ireo teny an-tanany, niaraka tamin’ny zava-maranitra isan-karazany, nandrahona ny tompon’ny tsena mba hamoaka ny vola. Na dia nahita ny basy teny an-tanan’ny iray tamin’ireo mpanafika aza ilay rangahy tao an-tsena dia niezaka nanohitra hatrany, hiarovana ny fananany. Tsy nisalasala avy hatrany araka izany ilay olon-dratsy nitifitra an’ilay rangahy, izay voa teo amin’ny sandriny havia. Vao naheno ny basy nipoaka ny rehetra teo amin’ny manodidina dia samy nitsoaka sy namonjy ny ainy avokoa. Hany ka nalalaka tsara ireo jiolahy nibata izay zakany ary nitsoaka avy eo. Tombanana ho an-tapitrisany any ho any ny vola very tamin’io. Rehefa lasa moa ireo olon-dratsy vao tonga namonjy ireo olona nahita ilay rangahy nitsirara tanaty rà mandriaka. Efa nantsoina ihany koa ny tompon’andraikitry ny filaminana teny an-toerana izay nametraka paik’ady avy hatrany nanaovana sahavao ireo olon-dratsy saingy hatreto aloha dia samy tafaporitsaka ireto farany. Efa nahazo fitsaboana rehefa nentina tany amin’ny hôpitaly ilay rangahy naratra voatifitra, mbola mitohy kosa ny fanadihadiana entina hikarohana ireo mpanafika.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici