Teo am-pikasana ny hanao fanafihana mihitsy ireto olon-dratsy no tra-tehaky ny mpitandro filaminana, teny amin’iny faritra Sabotsy Namehana iny, ny alarobia lasa teo. Dimy lahy izy ireo araka ny tatitra azo avy tamin’ny polisy misahana ny raharaha, ary sarona teny am-pelan-tànan’izy ireo ny fitaovam-piadiana saika hampiasaina tamin’izany : basy poleta niaraka tamin’ny zava-maranitra. Tamin’ny fanadihadiana no nahafantarana, fa saika ry zalahy ireto no tompon’antoka tamin’ireo fanafihana nisesisesy teto an-dRenivohitra, ary tao anatin’izany ireo « cash point ».
« Manoloana ny trangana fanafihana mitam-piadiana maromaro nifanesy teto an-dRenivohitra sy ny manodidina, dia nanao fikarohana sy fanangonam-baovao ny polisy. Nahitam-bokany izany satria ny alarobia teo tokony ho tamin’ny 09 ora maraina, dia nahazo vaovao mahakasika ny fisiana jiolahy mikononkonona fanafihana eny Sabotsy namehana izy ireo (…)noho ny paikady napetraka dia voasambotra tao amina toeram-pisotroana iray eny an-toerana ireo olon-dratsy miisa 05 tokony ho tamin’ny 11 ora sasany antoandro na dia nanohitra sy nikasa ny handositra aza » hoy ny fanazavana azo. Marihana, fa ireny olona « mpaka versement » ana fahana finday ireny no saika hataon’izy ireo lasibatra tamin’io fotoana io. « Niaiky ihany koa izy ireo, fa anisany namaky tranombarotra sy « cash point » eto an-dRenivohitra, anisan’izany ny fanafihana mitam-piadiana izay nataon’izy ireo tetsy 67ha ny alatsinainy 10 febroary teo, saingy nandamoka izany, satria tonga ara-potoana ny polisy». Ankoatr’izay, dia fantatra ihany koa fa izy ireo no tompon’antoka tamina fanafihana tokantrano iray teny Faravohitra , ny faran’ny volana janoary lasa teo. Heverina anefa, fa tsy ireo ihany no efa lasibatr’ireo jiolahy mahery vaika ireto. « Mbola mitohy ny fikarohana mahakasika ny toerana rehetra nanaovan’izy ireo asa ratsy » hoy hatrany fanazavana. Aorian’ny fanadihadiana azy ireo, dia hatolotra ny Fitsarana izy dimy lahy ireto.
m.L