Nirefotra ny basy, nandriaka ny rà, ny harivarivan’ny sabotsy lasa teo, teny Sabotsy Namehana. Mpamongady amina resaka zava-pisotro iray no lasibatry ny jiolahy, niisa teo amin’ny enin-dahy teo, izay nirongo basy sy zava-maranitra. Lasan’izy ireo tamin’izany ny fitoeram-bola izay nisy vola an-tapitrisany teo ho eo. Tsy vitan’izay anefa fa niantefan’ny balan’ireto tsy valahara ireto ny olona roa, vehivavy tokony ho 30 taona eo ho eo sy rangahy iray. Maty tsy tra-drano ilay renim-pianakaviana, izay voa teo amin’ny lohany, raha mbola manaraka fitsaboana kosa ilay rangahy, izay voan’ny balan’ireo olon-dratsy teo amin’ny tongony. Tokony ho tamin’ny enina ora hariva teo no niseho ity fanafihana ity. Be olona mifamezivezy amin’izay fotoana izany eny an-toerana kanefa dia tena sahy ireo olon-dratsy. Tsy lavitry ny kaomisarian’Avaradrano ity fivarotana voatafika ity ary tsy vitan’izay, araka ny nambaran’ireo mponina fa tamin’io fotoana io dia nisy pôlisy nandamina ny fifamoivoizana, dimy metatra teo. Raha ny zava-nitranga : efa-dahy no niditra tao amin’ilay mpamongady, nandrahoina ireo tompon-trano hanome ny vola, raha ny namany hafa, nitily ny manodidina. Azon’izy ireo ilay vata fitoeram-bola dia nitsoaka no sady nanapoaka basy. Tamin’io fotoana io, nisy rangahy iray sendra nivoaka tao amin’ny trano nifanila tamin’ity voatafika ity. Noheverin’ireo jiolahy fa hanakantsakana ny fitsoahan’izy ireo ka avy hatrany dia notifiriny. Nahare izany ny renim-pianakaviana iray tao amin’io trano ihany, avy hatrany dia nivoaka namonjy ilay rangahy. Nifanehitra tsara tamin’ireo jiolahy ihany koa anefa ka tsy nisalasala ireto tsy valahara, nanala ny ainy tamin’ny alalan’ny tifitra teo amin’ny lohany. Maty tsy tra-drano ity farany. Raha mbola samy nisoamaritaka tamin’ireo voatifitra ny olona, izy enin-dahy kosa, naka tsy mora, nandeha dia tongotra niditra elakelan-trano, nitondra ilay fitoeram-bola. Minitra vitsivitsy taorian’izay moa vao tonga ny pôlisy saingy efa tsy tazana ireo mpanafika. Efa mandeha amin’izao fotoana izao ny fanadihadiana sy ny savahao hikarohana ireo jiolahy.
m.L