Nisy vokany ny fanadihadian’ny polisy ary tsy namelan’izy ireo hatramin’ny farany raha tsy sarona avokoa izay voakasik’ilay vaky trano. Na dia efa ho iray volana sy tapany taty aoriana aza dia nitohy niandàlana teny ny fanadihadiana. Voasambotra ny atidoha nikotrika raha nandeha Bus. Ny roa voalohany moa dia roa andro taorian’ny fandrobàna dia efa azo. Ireo no nahafantarana ny mpaniraka azy ireo. Avy amin’ny nahazoana ny atidohan’ny fandrobàna no nisamborana indray ireo mpividy ny entana halatra dia ny fitaovam-panamafisam-peo samihafa (table de mixage, baffles sns) izay mitentina sivy tapitrisa ariary. Raha raka ny fanazavana azo dia efa fanindroany izao no vaky ny lapan’ny tanàna ao Sabotsy Namehana ary nitovy tsy misy valaka ny fomba nahavaky azy. Tsy nisy afa-bela tamin’ity indray mitoraka ny tao anatin’ilay tambajotra. Voasambotra hatramin’ny mpividy halatra noho ny fanadihadiana lalina izay notontosaina. Ankavitsiana ihany ny raharaha izay tonga hatramin’ny farany toa izao ny fikarohana ny olon-dratsy. Matetika dia mijanona eo amin’ny nahazoana ny mpamaky trano ary tsy misy fantatra ny ao ambadiny. Mampihemotra ny mpanao ratsy ny fahafantarana fa mety ho tonga lavitra toa izao ny fanadihadiana iray.
D.R