- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversSabotsy Namehana : Fanafihana mitam-piadina, nofatorana ny mpiambina, novonoina ny alika

Sabotsy Namehana : Fanafihana mitam-piadina, nofatorana ny mpiambina, novonoina ny alika

Maty paika tanteraka ny tetik’ireo olon-dratsy ary tsy mihemotra amin’ny asa ratsiny na dia efa fantatra izao fa tsara mpiambina ilay tanana. Toy ity nitranga tetsy Sabotsy Namehana, ny alin’ny alatsinainy hifoha talata lasa teo. Tanana iray teny an-toerana no notafihan’andian-jiolahy mitam-piadiana, tokony ho tamin’ny roa ora maraina tany ho any. Lasa tamin’izany ireo entana sarobidy rehetra tao an-trano. Araka ny fanazavana azo dia tsy tao ny tompon’ity trano ity. Na izany aza anefa dia tsara mpiambina ilay tanana satria dia ambonin’ny fisiana olona miambina dia manana alika « berger » ny tompon-trano. Tsy nampihemotra ireo olon-dratsy anefa izany. Nofatoran’izy ireo ilay mpiambina ary novoiny ilay alika. Nanam-potoana betsaka izy ireo nananterahana ny asa ratsiny. Firavaka volamena mitentina eo amin’ny 3 tapitrisa teo lasan’izy ireo, niampy finday avo lenta telo. Raha ny fanazavana azo dia ny maraina vao nisy nahita ilay mpiambina nifatotra tao amin’ny toerana nisy azy. Efa mandeha ny fanadihadiana mikasika ity fanafihana ity. N’aiza n’aiza amin’izao dia saika ahenoana fanafihana mitam-piadiana foana. Ary ny mahazendana ny maro, dia toa mihantsy ireo mpitandro filaminana mihitsy ireo jiolahy. Mazàna mantsy dia saika any amin’ireo faritra akaiky an’ireto farany no mamely ry zalahy. Misy ambadika ve ?

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser