Tsy tahotra tsy henatra intsony ! Am-povoan-tanana, anaty tsena, amin’ny andro be olona indrindra no sahy manafika ireto andian-jiolahy mitam-piadiana, tetsy Sabotsy Namehana ny alatsinainy teo.
Ny hariva, tokony ho tamin’ny enina ora sy sivy ambin’ny folo minitra tany ho any, raha mbola nisomebiseby tanteraka ny olona, nitohana izay tsy izy, toy ny mahazatra ihany koa ny fifamoivizana ary mbola nisokatra avokoa ireo mpivarotra tao an-tsena, no injay fa nipoaka sy nanakoako ny poa-basy voalohany. Narahin’ny faharoa, ary nitohy tamin’ny fanintelony sy faninefany izay efa nihananalavitra ny feony. Hatairana sy fikoropahana ny an’ireo olona niantsena sy ireo mpamonjy fodiana, samy nitsoaka sy namonjy ainy avokoa. Ramatoa iray no voan’ny bala teo amin’ny feny, olona iray hafa ihany ny fantatra tetsy, olona roa hafa teroa. Mitotaly olona efatra ireo naratra voan’ny bala, tsy nampoizina tamin’io fotoana io.
Araka ny fanazavàna azo, mpivarotra iray tao an-tsenan’i Sabotsy Namehana no lasibatry ny andian-jiolahy nitam-piadiana. « Vola manodidina ny efatra hetsy ariary teo ho eo no lasan’ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io. Dimy lahy izy ireo ary nitondra basy poleta. Satria toerana be olona no nanaovan’izy ireo izany ka voatery nanapoaka basy izy ireo, mba hahafahany nitsoaka tao anatin’ ireo vahoaka maro. Tsy nisy firaharahiana na iza no voa na iza no voa », hoy ny fanampim-panazavàna azo avy amin’ny loharanom-baovao akaikin’ireo mpanao fanadihadiana.
Voalazan’ireo nanatri-maso fa toeram-pivarotana enta-madinika ity voatafika ity ary anisan’ny eo am-povoan-tsena mihitsy. Vantany vao nirefotra moa ny basy dia niolomay avy hatrany ireo mpitandro filaminana, izay niasa tsy lavitra teo akory, nandamina ny fifamoivoizana. Tao ireo namonjy ireo naratra ary tao kosa ireo namonjy avy hatrany ny toerana niavian’ny poa-basy sy rafitra nanenjika ireo olon-dratsy. Nihazo elakelan-trano ary vao mainka nafenin’ny haizina nirotsaka haingana dia haingana moa ireto mpanafika ka tafaporitsaka ihany, eny fa na dia noezihina teo aza ny fifanenjehana sy ny fanavaovana savahao ny manodidina. Ireo naratra kosa moa tetsy andanin’izay, nentina avy hatrany nihazo ny tobim-pahasalamana teny an-toerana ary efa samy nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Nanomboka teo ihany moa ny fanadihadiana rehetra sy ny fikarohana ireto jiolahy mitam-piadiana ireto, raha ny fanazavàna azo hatrany.
m.L