- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversSabotsy Namehana : Fiara nandona nahafaty mpitondra môtô, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Sabotsy Namehana : Fiara nandona nahafaty mpitondra môtô, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Nisavorovoro ny teny Sabotsy Namehana, omaly hariva. Mpamilina fiara nandona nahafaty zazalahy kely, niaraka tamin’ny rainy nitondra môtô no saika niharan’ny fitsaram-bahoaka omaly, raha tsy tonga haingana ireo mpitandro filaminana, nitondra azy tany amin’ny kaomisaria. Mbola nimenomenona anefa ireo andian’olona …

Ny zava-nitranga : nandriaka ny rà teny Antsofinondry, Sabotsy Namehana, omaly tokony ho tamin’ny efatra ora sy sasany tany ho any. Fiara marika « Golf » no nifatratra teny amina « vulca » iray rehefa avy nandona « scooter » roa, nijanona teo. Tao anatin’izay, dia zazalahy kely iray nijoro teo akaikin’ireto môtô ireto no voafaoka mafy dia mafy tokoa. Raha ny fantatra dia niaraka tamin’ny rainy, nitondra ny iray tamin’ireo môtô voadona izy. Ity rainy izay mbola nanamboatra kodiarana tao amin’ity « vulca », tsy naninona. Mafy dia mafy ny dona nahazo ity zazalahy kely ity, izay voa teo amin’ny lohany. Ary namoy ny ainy avy hatrany. Nanomboka nitangorona avy koa ny olona izay nahita. Nanome tsiny avy hatrany ilay mpamily, ary nanomboka nimenomenona taminy. Ary izany dia toa hoe efa saika tonga hatrany amin’ny fandoroana ilay fiara mihitsy, araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso.

Nanjavona. Nalaky tonga ny pôlisy teny an-toerana, niezaka nitondra ny mpamily sy olona iray hafa izay tao anatin’ilay fiara namoa-doza, tany amin’ny kaomisaria. Tao anatin’ny fotoana fohy izany, hoy ireo nahita, ary toa vetivety teo dia tsy hita izay tany nanjavonan’ireto olona nentin’ireo pôlisy. Nanomboka teo no niakatra ny hatezeran’ireo fokonolona. Nitanjozotra niakatra nankany amin’ny kaomisarian’ny pôlisy ao Sabotsy Namehana, ary nanomboka nitangorona teo anoloan’ny vavahady, sy nitaky ilay mpamily nahavanon-doza. Mba hisorohana ny  mety hitrangan’ny fikorontanana anefa dia nifanome tànana avy hatrany mpitandro filaminana tany an-toerana, pôlisy sy zandary, ary mbola nampian’ireo avy aty Andrenivohitra. Nanazava ny sain’ireo mponina sy niezaka nanaparitaka azy. Hatreto kosa dia tsy fantatra mazava izay antony nahatonga ny loza. Olana teknika teo amin’ny fiara sa fahadisoan’ny mpamily tokoa ? Ny loharanom-baovao manakaiky ireo mpitandro filaminana no nahafantarana fa hoe, teo ho no eo ihany dia nampakarina aty Andrenivohitra ary tazonina eny amin’ny kaomisaria foibe Tsaralalàna ilay mpamily sy ilay olona niaraka taminy, hatao fanadihadiana.

m.Lp

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici