Akory ny hatairan’ny mponina teny amin’iny faritra Sabotsy Namehana iny omaly maraina. Tovolahy iray manodidina ny 30 taona eo ho eo no hita faty nihantona teny ambony hazo, tao amin’ny fokontanin’Ambohinaorona. Olona sendra nandeha vao maraina teny amin’iny faritra iny no nahatsikaritra an’ity zavatra nihantona ity. Rehefa nojerena akaiky izany dia hita fa olona toa efa tsy misy aina intsony no mifatotra amin’ny tendany. Nantsoina avy hatrany ny tompon’andraikitra teny an-toerana. Raha ny fizahana natao dia efa ny alin’ny sabotsy teo ity lehilahy ity no maty, saingy io maraina io vao hita. Mponina eny an-toerana ihany ity tovolahy ity faty, raha ny fanazavana avy amin’ny mpitandro filaminana. Raha ny fahitan’ny maro azy dia azo heverina fa namono tena ny lehilahy saingy mbola tsy fantatra ny antony. Tsy azo lavina ihany koa anefa etsy andanin’izay ny mety hoe nisy namono ity tovolahy ity ka nahantona teo ny vatana mangatsiakany. Na izany aza anefa tsy nahitana ratra na dian-kapoka ny vatany raha ny fampitam-baovao hatrany. Efa mandeha kosa ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity.
m.L