Azo fongorina tsara ny mpanao ratsy rehefa mahay miray hina ny fokonolona ! Toy ity tranga tetsy Antsahatsiresy Sabotsy Namehana ity, ny voalohan’ny volana teo. Tovolahy iray mantsy no nifanenjehan’ny fokonolona ary tsy namelan’izy ireo raha tsy voasambotra. Nisy nahita teo am-panaovana ny asa ratsiny, teo am-panendahana olona, tamin’ny elakelan-trano iray ranamana. Vao naheno ny antso vonjin’ilay saika ho lasibatra fotsiny ny fokonolona dia efa niara-nirohotra nanenjika ity farany. Nohodidinina ary tsy lasa lavitra akory dia voasambotra ny tovolahy. Araka ny fampitam-baovaon’ny zandary dia olona monina eny Ambohinaorina, ao anatin’ny kaominina Sabotsy Namehana ihany ity olon-dratsy ity ary io tonga manao ny asa ratsiny eny Antsahatsiresy io. Ankevitry ny efa maromaro ihany ireo lasibatr’ity mpanendaka ity teny an-toerana, antony nahatonga ireo fokonolona tsy nanaiky lembenana intsony. Izy ihany koa, araka ny vaovao azo hatrany dia efa gadralava. Vao nifonja noho ny resaka vaky trano ity tovolahy ity, hoy ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Naterina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny zandary moa ity farany. Ho amin’ny famotorana azy dia notanana natao andrimaso teny an-toerana, nialohan’ny hanolorana azy indray eo anivon’ny Fampanoavana.
Mpanendaka anaty taxibe, nampangain’ny akanjony
Tra-tehaka ihany niafarany. Lehilahy iray, mananiky ny 50 taona any ho any, ranjanana sy vaventy tokoa, izay raha ny voalazan’ireo mahafantatra azy dia mpilalao baolina lavalava no sady mpanendaka hikoizana. Maro ny nanaparitaka ny sarin’ity farany, tsy tahotra tsy henatra teo am-pisavàna poketran’olona tao anaty fiara fitanteram-bahoaka. Nandray ny andraikiny avy hatrany moa ireo mpitandro filaminana. Ireto farany rahateo, efa nisy nanome vaovao mahakasika ny toerana misy azy. Noraisim-potsiny tany an-tranony ingahirainy. Mbola hita niahy teo ivelan’ny trano rahateo ny akanjo nentiny tamin’io fotoana nahazoana sary azy io.
Anisan’ny mampikaikaika ny olona tokoa ity resaka fanendahana sy harom-paosy anaty taxibe ity. Ireo tontakely izay efa toa fantatr’endrika avokoa, indrindra fa ho an’ireo mpamily sy ny mpanampin’ny mpamily, saingy tsy sahy mitoroka ireto farany noho ny tsindry sy ny tahotry ny valifatin’iretsy olon-dratsy. Soa ihany, fa nisy ny tambajotra sosialy, nahafahan’ireo olona mandefa ny sarin’ireo olon-dratsy izay ahafahan’ireo mpitandro filaminana mandray ny andraikitra tandrify azy sy mba hahamailo ireo mpandeha.
m.L