- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSabotsy Namehana : Mpivarotra rongony niafina tao anaty WC

Sabotsy Namehana : Mpivarotra rongony niafina tao anaty WC

Raikitra ny fifanenjehana. Tsy nahita aleha intsony ity lehilahy iray, izay efa fantatry ny rehetra fa mpivarotra rongony ary efa voatsikaritry ny zandary ihany koa. Faraherin’ingahirainy, niafina tao anatin’irony trano fivoahana irony ary niezaka nanary ireo «entam-barotra » teny aminy tao anatin’ny lavak’izany WC izany. Indrisy anefa, tsy nety levona ireo porofo … Tranga niseho tetsy Sabotsy Namehana.

Efa nisy ny angom-baovao azon’ireo zandary avy eo anivon’ny tobim-paritra Sabotsy Namehana ny amin’ny fisian’ireo tambajotra mpamatsy sy mpivarotra rongony eo Atsimotsena. Efa fantatr’izy ireo tamin’izany ny toerana fanaovan’ireto olon-dratsy izany bizina maloto izany, ka ny taratasy tany amin’ny fitsaràna, nahafahana nisava ny tranony sisa nandrasana. Vantany vao azo ireo fahazoan-dalana io dia nidina avy hatrany teny amin’ilay toerana voalaza ireo zandary. Vao lavitra anefa dia hitan’ny olon-dratsy ny fiavian’ireto mpitandro filaminana sy ny anton’ny fahatongavan’izy ireo ka rafitra nitsoaka sy niezaka niafina niaraka tamin’ireo « entany » ny lehilahy. « Niafina tao anaty trano fangerena anefa ilay rangahy mpivarotra rongony sy ny vady aman-janany tamin’ny fotoana nahatongavan’ny zandary. Nalatsany sy nafeniny tao an-davapiringa ihany koa ireo fonosana rongony » hoy ny fampitam-baovao azo. Tsy nahasakana ireo mpitandro filaminana tonga hanao ny asany izany ka nasaina nalainy ireto fonosan-drongony ireto. An-jatony isa tany ho any izany : 210 fonosana izay milanja eo amin’ny 550 grama teo, araka ny vaovao hatrany. Noraisim-potsiny moa ranamana niaraka tamin’ireo porofo ary nentina natao fanadihadiana tany amin’ny biraon’ny zandary. Ankoatr’ity lehilahy ity dia nisy namany efa-dahy hafa, mpiray tsikombakomba taminy tamin’izao fivarotana rongony izao ihany koa nopaingorin’iny zandary. « Marihana fa ny tomponantoka voalohany amin’izao raharaha izao dia efa nifonja enim-bolana noho ny raharaha fivarotana sy fitazonana rongony tamin’ny taona 2021. Ny zandary avy eo Sabotsy Namehana ihany no nahatratra azy tamin’izany fotoana izany » hoy hatrany ny vaovao. Notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy ireo moa ireto olona voasambotra ireto, miandry ny fanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici