Nosakanana dia tsy nety nijanona ilay fiara. Raikitra teo ny fifanenjehana teo amin’ireo mpitandro ny filaminana izay tsy nisy nifankahalala aloha hatreo. Raha ny fitantaran’ny olona izay nahita dia nisy hatramin’ny poa-basy mihitsy tao anatin’izany. Loharanom-baovao akaiky avy amin’ny mpitandro filaminana no nanazava fa vato sarobidy no nentin’ireo mpitandro ny filaminana tao anaty fiara voalohany izay nenjehina. Ny tao aoriana kosa dia tsy nahafantatra ny momba izany fa nanao ny asany fotsiny ka rehefa nahita ny fitsoahana dia nanenjika. Samy nirimorimo ary nizotra taty an-drenivohtira ireo fiara roa. Tonga tao amin’ny toby iray ary avy hatrany dia niditra ilay fiara. Teo vao fantatra fa hay mpitandro ny filaminana ny tao anatiny. Nanao fanamiana sivily rahateo, hany ka tsy nisy nahafahana namantatra azy. Niverim-potsiny ireo nanenjika satria mety ho rà mandriaka no nitranga raha toa ka nanohy ny fisamborana izy ireo. Iaraha-mahalala ihany ny firahalahiana eo amin’ny vondron’ny samy mpitandro ny filaminana, fady tanteraka izany hisambotra anaty toby izany ary mety ho afaka ny hitifitra avy hatrany indray ny nenjehina manomboka eo ary hampiasainy ny lalàna momba ny fiarovana ny toby. Ao ny manao ny asany ara-dalàna, ao ny manararao-pahefana sy mihevitra ho tsimatimanota, ao ny mangalatra. Heverin’ny maro fa mila hamafisina ny fitsipika mifehy ny mpitandro ny filaminana raha tiana handàla tsara ny tany tan-dalàna.
D.R