Handeha hamonjy ny namany, sempotra tao anaty lava-drano vao nolavahana iny ny iray no tavela tao ihany koa. Ireo mpamonjy voina no nampiakatra azy ireo tao. Efa samy vatana mangatsiaka sisa. Tranga niseho tao Sabotsy Namehana, ny sabotsy maraina teo.
Avy any amin’iny distrikan’ Andramasina iny avokoa ireto roa lahy namoy ny ainy tao anaty lava-drano ireto. Hikarama hanorina trano tetsy amin’ny fokontany Ambohinaorina, kaominina Sabotsy Namehana, distrika Avaradrano no nialan’izy ireo tany an-tanànany kanefa dia izao fahafatesana tanaty lava-drano vao nolavahana izao no niafarany. Araka ny fampitam-baovao azo avy eo anivon’ny mpamonjy voina, dia ny zoma teo izy ireo no efa nanomboka nandavaka ity lava-drano ity teny an-toerana. Nahatratra teo amin’ny enina metatra teo ny halalin’izany tamin’io fotoana io ary najanona aloha mba hotohizana ny ampitso. Tao anatin’izany anefa dia voalaza fa toa hoe nanaovana fomba : nandrarahana toaka sy nandrehetana zavatra tao anatiny, mba hahamora ny fahitana rano.
Ny sabotsy teo anefa, raha iny nidina hanohy ny hady lavaka iny ny iray tamin’ireo mpiasa no tsy nivoaka sy tsy namaly intsony ireo namany niandry azy tety ambony. Nikoropaka tamin’izany ireto farany ary nisy lehilahy iray hafa, nidina tao anaty lavaka mba hamonjy ilay nidina voalohany. Tavela tao ihany koa anefa izy io. Tsy nisy sahy nidina intsony ireo tety ivelany, fa hany hery dia niantso vonjy. Nampandrenesina ny mpamonjy voina sy ireo olona manodidina. Iretsy voalohany moa dia nigadona avy hatrany teny an-toerana fotoana fohy taorian’ny antso, ary nanatanteraka avy hatrany ny asam-pamonjena. Araka ny angom-baovao azo, dia somary nanahirana izany satria misy hafanana hafahafa tao amin’ilay lavaka no sady manempotra. Na izany aza anefa, dia voasintona tao ihany ilay lehilahy faharoa nidina tao. Efa naratra sy tsy nahatsiaro tena intsony. Nezahana nentina namonjy toeram-pitsaboana faingana, saingy indrisy fa tsy tana intsony ny ainy. Minitra maromaro taorian’izay ihany koa no tafakatra ilay raim-pianakaviana voalohany, saingy efa tsy nisy aina intsony. Raha ny vaovao hatrany, dia fahasemporana vokatry ny entona mahafaty tao anatin’ilay lavaka no anton’izao famoizan’aina izao. Tonga teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana. Ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena kosa, raha ny fantatra, no miandraikitra ny fanadihadiana tamin’ity loza nahafatesana olona roa ity.
m.L