- Publicité -
jeudi, mai 22, 2025
AccueilFaits-DiversSabotsy-Namehana : Taxi-brousse nanitsaka nahafaty ny reseverany

Sabotsy-Namehana : Taxi-brousse nanitsaka nahafaty ny reseverany

Mitera-doza matetika ny fiara fitaterana.
Mitera-doza matetika ny fiara fitaterana.

Ny marainan’ny alahady teo no naka solika teo amin’ny “station” Galana tetsy Sabotsy Namehana ity taksiborosy Mercedes 508 mampitohy an’ Antananarivo sy Ambatomanohina. Fanaon’ny mpanampy ny mpamily tokoa raha vao mijanona ny fiara ny manamboatra na mamafa, misitrika ao ambanin’ny fiara mihitsy manao ny fanamboarana madinidinika. Tsy niteny tamin’ny mpamily anefa ityu farany fa tonga dia nisitrika tao ambanin’ilay fiara .

Vao vita ary ny solika dia namelona ny fiara ity mpamily ka avy hatrany dia nanisaka izany, tsy fantany akory ny fisian’ny olona tao ambany ka voahitsaka teo amin’ny tratrany ilay mpamily mpanampy, mpandeha an-tongotra sy ny olona manodidina no nikiakiaka niantso ka nampijanona ity mpamily.

Teo no taitra ilay lehilahy ka nijanona ary nisokitra ity namany ity haingana hentina eny amin’ny Hopitaly Anosiavaratra. Teny an-dàlana anefa no tapitra ny ain’ity tovolahy izay vao 27 taona monja

Amam-bolana vitsy tokoa mantsy izay no nisehoan-javatra mitovitovy amin’izao teny Nanisana ka anentanana ny mpamily sy ny mpanampy azy mba hifanara-tsaina tsara eo am-panatontosana ny asany fa tsy fitandremana kely tokoa mantsy dia amoizana ain’olona. Manginy fotsiny ny tsy fahatomombanana ara-teknika ka matetika mitera-doza mahatsiravina.

ALEM

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser