- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversSabotsy-Namehana : Taxi-brousse tapaka « frein » nahafaty olona

Sabotsy-Namehana : Taxi-brousse tapaka « frein » nahafaty olona

sabnam(1)Lozam-pifamoivoizana nampitsangam-bola ny olona teo an-toerana no nitranga tetsy Sabotsy-Namehana omaly. Tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro no nivoaka ny lalana ny taxi-brousse iray ary nifatratra tany amin’ny toeram-pivarotana iray an-tsisin-dàlana. Saingy talohan’izay dia nifaoka lehilahy roa io fiara io. Ny iray maty tsy tsa-drano ary ny faharoa kosa naratra mafy. Nentina teny amin’ny hopitaly io mba hanavotana ny ainy. Ny fitantaran’ny olona teny an-toerana no nahafantarana fa nodimandry ihany koa ilay rangahy faharoa vokatry ny dona nahazo azy. Efa samy nahazoazo taona ireo rangahy roa izay niharan-doza.Vetivety dia hipoka olona nanodidina ilay fiara. Ny olona ihany rahateo no nifanampy tamin’ny famoahana ireo voahitsaka, izay tavela tao ambanin’ny fiara. Raha araka ny fanazavana azo dia avy any Anjozorobe ity taxi-brousse ity ary saika hihazo an’andrenivohitra. Toeram-pivarotana mofomamy ilay nohitsin’ity fiara fitaterana ity. Raha ny tsikaritry ny maro, indrindra ny fitarainan’ny mpandeha, dia matetika mandeha mafy loatra ireo fiara fitaterana izay mampitohy an’andrenivohitra amin’Ankazondandy sy Anjozorobe. Misy anefa ny tanàna ahitana lalana somary tery hany ka ahiana hitera-doza isaky ny mandeha izany tsy fiheverena izany. Naparitaky ny olona eraky ny tambajotra sosialy ilay zava-nitranga mba hoentina hampisainana ny fiara fitaterana izay toa lasa mampatahotra hatrany ny mitaingina azy ireny. Ao ny manao torimaso fotsy ary ao ny tapaka frein. Ao ihany koa no mandeha mafy loatra satria maika ny ho tonga. Tsy fitandremana sy tsy fahatomombanana ara-teknika ary tia kely, ny iray amin’ireo hatrany no anton’ny lozam-pifamoivoizana mahazo ny fiara fitaterana matetika.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici