- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSabotsy Namehana : Voasambotra ilay mpisoloky gaigilahy amin’ny varotra finday

Sabotsy Namehana : Voasambotra ilay mpisoloky gaigilahy amin’ny varotra finday

Ny mamo indray ny miantso polisy. Izany no azo ilazana ity lehilahy 38 taona  mpisoloky amin’ny alalan’ny varotra finday ity ka voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny Filaminam-bahoaka eny Sabotsy Namehana ny zoma 14 avrily lasa teo.

Manana fiday izy ka raisiny avokoa ny mombamomba  ilay finday ary mametraka fitoriana any amin’ny mpitandro filaminana izy fa nisy nanendaka. Maniraka olona izy hivarotra ilay findainy na izy mihitsy no mivarotra izany mivantana ka alefany avy hatrany izany rehefa misy mividy na ohatrinona na ohatrinona.

Miantso mpitandro filaminana izy avy eo ka tondroiny ilay olona nivarotany ilay finday fa io ny olona nanendaka azy. Angatahany raharaham-pihavanana mba hakany vola anefa ilay olona rehefa tonga any amin’ny mpitandro filaminana fa raha tsy izay dia miakatra ny raharaha. Dia toy izany hatrany no ataony. Nisy araka izany ny olona efa nigadra noho ny nafitsok’ity lehilahy ity ary tamin’ny alalan’io olona io no nahatratrarana ity farany.

Toy ny fanaony dia nitory olona teny amin’ny kaomisaria Ambohimanarina ity mpisoloky ity. Nandre izany ny havan’ilay lehilahy nigadra ka nitory teny amin’ny kaomisarian’ny Filaminam-bahoaka Sabotsy Namehana. Rehefa nojerena ny fitoriana napetrak’ity mpisoloky ity teny Ambohimanarina dia mitovy tanteraka tamin’ilay fitoriana nataony tamin’ilay olona nigadra. Niharihary teo ny fisolokiana nataony.

Tsy vitan’izay fa tamin’ny fotoana nanaovany io fitoriana io dia nilaza ho tsy manana karapanondro izy fa voaendaka niaraka tamin’ny fidainy hono. Ny fanadihadiana no nahalalana fa toy izany hatrany no ataony rehefa manao ny asa ratsiny ary anarana samihafa no entiny isaky ny mametraka fitoriana.

Nahazo fahafahana vonjimaika moa ity lehilahy ity rehefa natolotra ny fampanoavana omaly 18 aprily.

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici