Mivoatra hatrany ny vaovao mahakasika ilay fanafihana nahafaty raim-pianakaviana iray tetsy Sabotsy-Namehana. Loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana no nahafantarana, fa vola saika hividianana fiara no lasan’ireo olon-dratsy ka namonoany ny tompony. Ankoatr’izay dia nilaza ihany koa ny andrimasom-pokonolona, fa nisy dian-kiraro “rangers” teny an-toerana. Mbola niteraka resa-be ihany koa hatreto ary handrasan’ny olona ny antony tsy nidiran’ireo mpitandro ny filaminana izay tonga ara-potoana teny an-toerana, saingy tsy niditra an-tsehatra avy hatrany tamin’ny fisamborana ireo olon-dratsy. Ahoana ny fomba hahafantaran’ireo olon-dratsy, fa misy vola nipirina tao amin’ilay trano? Marobe ny fanontaniana mihodidina ity raharaha ity.
Nangonin’I D.R