Azo eritreretina, fa andian-dahalo iray ihany ve ireto nanafika tao amin’ny kaominina Sadabe, distrikan’i Manjakandriana tamin’ity herinandro ity ? Mipetraka ny fanontaniana satria toa mitovy hatrany ny fomba fiasan’izy ireo ary tsy mbola misy voasambotra hatreto. Ny tranga voalohany dia niseho tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe : Fierenana, fokontany Anjorofady ny talata 8 janoary tamin’ny 9 ora sy sasany alina. Dahalo tsy fantatra isa ary mitondra basy no nanafika valan’omby roa an’ny tokantrano samihafa tao amin’io toerana io. Nanapoaka basy im-pito ireo jiolahy tamin’izany ary nianavaratra nihazo ny faritra Andranomalaza ny dian’izy ireo rehefa nitsoaka niaraka tamin’ny omby dimy (05) izay nangalariny. Nanara-dia avy hatrany ny fokonolona io raha vao lasa ireo jiolahy. Voatery niverin-dalana anefa izy ireo noho ny andro alina ka ny ampitso maraina vao nanohy izany. Ny zandary kosa tetsy andaniny rehefa nahazo antso mahakasika ity raharaha ity, dia niezaka ny nanao sakana ny faritra manodidina sy nampandre ireo tobin’ny mpitandro filaminana rehetra manodidina. Saingy tsy nisy vokany izany, fa mbola halatr’omby iray hafa indray no nitranga ny alin’ny Alarobia 9 janoary tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany ihany. Dahalo telo nitondra basim-borona no nanafika tao amin’ny tanàna atao hoe Masimbahiny, fokontany Ankerana, mbola ao amin’ny kaominina Sadabe. Omby sivy (09) tao am-pahitra no nalain’izy ireo tamin’io, tao anaty oram-be. Nanapoaka basy ireto jiolahy tamin’izany ary nianavaratra ihany koa ny dian’izy ireo rehefa niala teo. Nanara-dia ny fokonolona sy ny zandary avy ao Sadabe, saingy mbola tsy nisy tratra ihany koa ireo dahalo sy ny omby very na dia efa nahetsika avokoa ireo tobin’ny zandary manodidina. Soa ihany fa tsy nisy ny maty na naratra nandritra ireo fanafihana roa ireo.
T.M.