Nitrangana fanafihan-jiolahy mahery vaika indray, tao amin’ny kaominina Sadabe, distrika Manjakandriana, ny alin’ny alarobia lasa teo tokony ho tamin’ny 10 ora sasany alina teo. Trano roa no in-dray nataon’ny jiolahy lasibatra. Vokany lehilahy iray naratra mafy, notsatohan’ireo olon-dratsy zava-maranitra teo amin’ny lohany. Efa-dahy ireo olon-dratsy raha ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny zandary ; izay samy nirongo fitaovam-piadiana avokoa. Efa ao anatin’ny torimaso avokoa ny rehetra amin’izany fotoana izany no notafihan’ireo olon-dratsy ireto izy ireo. Avy hatrany tokoa mantsy dia nanao amboletra niditra tao amin’ilay tokantrano voalohany. Tsy nisy afa-tsy lehilahy iray no tao, saingy nanohitra hatramin’ny farany ny fanafihana ity farany. Antony nahatonga ireto olon-dratsy, tsy nisalasala akory nandratra azy. Na izany aza anefa tsy nahazo n’inona n’inona izy ireo. Tao amin’ilay trano faharoa, kosa dia vehivavy no tao, izay tsy sahy nanohitra fa dia nanaiky sy nanome izay zavatra notadiavin’ireo mpanafika. Vola aman’hetsiny maromaro, niaraka tamina finday sy firavaka sarobidy araka izany no lasa. Rehefa avy nanao ny asa ratsy ireo andian-jiolahy dia nitsoaka. Taorian’io vao afaka niantso vonjy ireo voatafika. Tonga haingana teny an-toerana koa ireo zandary avy ao amin’ny borigadin’i Sadabe, nanao ny fanadihadiana ary niezaka nanenjika ireo olon-dratsy. Mbola mitohy moa hatreto ny fikarohana.
m.L