- Publicité -
jeudi, septembre 10, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSAFIF FJKM : Mpriandry miisa 15.000 nahazo fiofanana

SAFIF FJKM : Mpriandry miisa 15.000 nahazo fiofanana

Mpiandry« Mpiandry aho ». Io no lohatenin’ny boky kely nirakitra ny fiofanan’ny Mpiandry  eo amin’ny sehatry ny Sampana Fifohazana ao amin’ny Fiangonana FJKM, na SAFIF, nandritra ny fiofanan’ny Mpiandry natao tany Toamasina, Ambalavao Tsienimparihy ary Port Bergé, ny 12 ka hatramin’ny 15 jona lasa teo. Lohateny izay manambara ny fijoroan’ny Mpiandry sy ny fandavatenan’izy ireo manolonana ny asampanompoana nomen’ny Tompo azy ireo. Mitontaly 15.000 ny Mpiandry tonga nanatrika izany fiofanana izany, izay niompana tamin’ny lohahevitra mahakasika ny « fahasoavana », araka ny hita ao amin’ny 1 korintiana 8 : 7 : « Fa araka ny itomboanareo amin’ny zavatra rehetra, na amin’ny finoana, na amin’ny teny, na amin’ny fahalalàna, na amin’ny fahazotoana rehetra, na amin’ny fitiavana anay ; dia aoka ho toy izany koa no hitombohanareo amin’izao fahasoavana izao ».  Raha ny tao Toamasina fotsiny, ohatra, dia nahitana mpiofana miisa 10.000 eo ho eo avy amin’ny synodamparitany miisa 21 avy ao Antananarivo sy Toamasina. Nandritra ny telo andro niofanana dia lohahevitra maro no nozarain’ny mpampiofana, izay nahitana ny Filoha sy ny Tonian’ny SAFIF Foibe, ny Mpitandrina isany : Rabehantonina James sy Rakotondramanana Arijaona.   Singanina amin’izany ohatra ny « fifohazana mitombo amin’ny fahasoavana », « ny fiantsoana maha Mpiandry »,  « ny fiainampanahin’ny Mpiandry », « ny Mpiandry sy ny fanajàna fandaminana »,  « ny Mpiandry sy ny fitondranantena mahamendrika », « ny sexualité sy ny fanambadiana ». Hita taratra nandritra io fiofanana io ny risipon’ireto mpanompon’Andriamanitra ireto, izay tsy nitsitsy fotoana sy vola nanatrika izany na dia teo aza ny fahalaviran’ny toerana.

R.Edmond.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser